Fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana : afa-mamoaka didy amina fangatahana vaovao ny HCC

Na inona na inona lazaina sy atao amin’izao, toherin’ny fanoherana hatrany ? Izany, ohatra, ny fivoizana fa tsy marina ny hoe tsy azo ivalozana ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpa­no­re­nana (HCC). Azo ivalozana ihany izany tamin’ny fanapahany nanome ny fahefana ny filoha vaovaon’ny Antenimie­ran­doholona, ny Jly Rava­lo­manana Richard, ny andraikitry ny filoham-panjakana vonjimaika, taorian’ny fangatahany. Voatsikera mafy amin’ny filazan’ny mpanohitra ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsa­rana, tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, ny 16 oktobra, fa tsy azo ivalozana ny didin’ ny HCC, efa nanapaka fa nafindra any amin’ny governemanta ifarimbonana ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

Fangatahana vaovao…
Nefa tsy araka ny maro koa ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana ihany tamin’ny fianakaviamben’ny fitsarana, tany Antsirabe, ny 20 oktobra, fa tsy misy fanohanana na fampiakarana na fandravana didy azo atao tokoa amin’ny fanapahan’ny HCC. Izay no tsy mampitovy azy amin’ny rantsam-pitsarana hafa. Na izany aza, nambarany fa mbola afa-mitsara na mamoaka didy ny HCC, raha misy fangatahana vaovao amina toe-javatra vaovao. Tsy izay ve ny nanomezan’ny HCC fahefana ny filohan’ny Antenimie­randoholona, taorian’ny fangatahany noho ny fivoaran’ny toe-draharaha eo anivon’ny Andrimpanjakana tantaniny?

Manana izay fahefana mandrindra na mandamina ny Andrimpanjakana misy rahateo ny HCC.

R. Nd.

Partager sur: