Fiarovana ny tontolo iainana : Plastikak, “PET”, navadika ho kifafa

Mandray anjara goavana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanasoavana ny olona ny tanjon’ireo mpanodina akora azo avy amin’ny tavoahangy plastika. «400 taona vao levona tanteraka ny karazana plastika PET, ezaka ataon’izy ireo ny manome fiainana faharoa sy vaovao indray ireny karazana plastika ireny», hoy ny tomponandraikitra iray. Antony namoronan’ny mpandraharaha iray izany, ho lasa kifafa, nampirantiana tetsy Maha­masina, nandritra ny foara Voatra, andiany fahafolo, ny herinandro teo. Noezahina navadika ho lasa kifafa azon’ny olon-drehetra ampiasaina izany. “Nisafidy an’io karazana plastika io izy ireo satria malefaka sy azo aforitra tsara io akora iray io”, hoy hatrany ny fanazavana. Azo hanadiovana ny toerana rehetra toy ny ao an-tokantrano, an-tokontany, an-jaridaina, ara­be vita pave, na tara, ny gorodona ihany koa. Azo ampiasana hanadiovana ny toeram-piompiana ihany koa izany. Sasana avy eo ary azo averina ampiasaina indray. Tafiditra indrindra amin’ny fanenana ireo karazana fako plastika miparitaka manerana ny toerana maro ny hetsika toy izao.

Mino

Partager sur: