Hetsiky ny Kandidà 10 : tsy tonga teny an-toerana Ravalomanana Marc

Nanatanteraka diabe na­nomboka teny Ampasapito hatreny Ambomahitsy, ny kandidà 10, omaly. Tsy tazana teny an-toerana ny kandidà Ravalomanana Marc, tamin’io fotoana io. Raha ny vaovao voaray ao anatin’ny fanomanana ny hidirana amin’ny kianjan’ny 13 mai izy ireo sy ny kandidà sasany.

Ny kandidà Ratsiraka Roland, Rajaonarimampi­a­ni­na Hery, Andrianainarivelo Hajo, Razafinjoelina Tahina, Raza­fin­tsiandraofa Jean Brunelle no nitarika ny diabe tamin’izany. Tsy miova ny fitakiana ataon’izy ireo, ny tsy hirotsahan’ilay kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry Nirina, izay filoha teo aloha. Marihina fa ity filoha teo aloha ity, manohy ny fampielezan-kevitra ary mizotra tsara izany.
Tsara ny mampahafantatra fa nirava maina toy ny mahazatra ihany ny hetsika teny an-toerana. Ireo kandidà mpanohitra namonjy ny fivoriana ary ny mpanara-dia lasa namonjy ny asa fanaony isan’andro. Tsy misy ny korontana ary niezaka nandamina ny zava-misy ny mpitandro filaminana.

Tsiahivina fa anio, hanomboka ny fidiran’ireo kandidà 10 eny amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely. Ny prefet, efa nilaza fa tsy azo atao ny maneho hevitra eo amin’io kianja io amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao.

Randria

Partager sur: