Nihaona tamin’ny vahoakan’i Vangaindrano sy Farafangana ary Manakara ny kandidà laharana fahatelo, omaly. Notanisainy tamin’izany ny zava-bita any amin’ireo distrika ireo.
“Ny sasany mbola hampanantena fa isika efa mitanisa hoe: izao no efa natao sy mbola hatao ary ny tsy maintsy hatao”, hoy ny kandidà, laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Notsiahiviny avy eo fa nandefa fanampiana tany an-toerana ny tenany tamin’ireny rivodoza ireny. Amin’ny andro tena sarotra no ahitana ny tena namana, araka ny nambarany. Teo ny Vatsy tsinjo sy vatsin’ankohonana ka nisitraka izany ireo tokantrano maherin’ny 10 000. “Mbola hanampy betsaka anareo aho amin’ny fotoam-piasana manaraka. Hanakaiky kokoa anareo ary hampandroso ny firenena”, hoy izy. Notanisainy ny zava-bita, toy ny lalana Vohemar – Ambilobe. Hatao tara ny lalana Taolagnaro – Vangaindrano. Eo koa ny fanorenana hopitaly miisa 28 ka hisitraka izany koa ny ao an-toerana.
Momba ny jirofo kosa, tafakatra 27 500 ar ny kilao izao raha 15 000 ar, efa-taona lasa. Nampanantena ny tenany fa hamboarina ny kianja ao Vangaindrano. Tahaka izany koa ny fanamboarana CEG sy lyceé ary EPP.
Vahaolana amin’ny delestazy
Natsidiny koa tany an-toerana sy tany Manakara fa tsy maintsy hitadiavana vahaolana ny delestazy. “Hametrahana “Parc solaire” aty ka tsy ho tapaka intsony ny jiro ary hilatsaka ny vidin’izany”, hoy izy. Eo koa ny orinasa hanome asa ho an’ny tanora ka hisy ny ozinina fanodinana jirofo, ho lohamenaka “Huile essentielle”. Hanova ny tantara amin’ny alalan’ny safidy ny vahoaka malagasy ka anisan’ny vonona amin’izany ny any an-toerana. Efa ho vita ny lalana Irondro-Manakara. Hametrahana “Scanner” ny hopitaly noho ny fitiavan’ny kandidà laharana fahatelo ny vahoaka any amin’ ity distrika ity.
Synèse R.




