Tsy ny teo amin’ny spaoro ihany fa na ny teo amin’ny fianaran’ny ankizy, afapo tamin’ny vokatra azo tamin’iny taom-pilalaovana lasa teo iny ny teo anivon’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar, araka ny nambaran’ny filohan’ny EST, i Vital Serge.
Nambaran’ny filohany, Vital Serge, fa «tsy ny fanatanjahantena ihany no ao amin’ny klioban’ny EST fa tena manara-maso akaiky ny fianaran’ ireo ankizy mihitsy izy ireo». Efa nohamafisiny hatrany ny maha zava-dehibe ny fianarana ary tena hentitra izy satria misy ny tanjona tsy maintsy tratrarina ». «Tsy eo ambony kianja ihany no hanaovana fanamby fa amin’ ny fiainana koa», hoy hatrany i Vital Serge. Mila manao ezaka betsaka, hoy izy, raha te hanatratra ny tanjona. Nambaran’ity filohan’ny klioba EST ity fa hajanon’izy ireo tsy ho mpikambana ao aminy mihitsy ny mpianatra iray tsy nahazo salan’isa. Ny ray aman-dreny, namana malala-tanana na eto an-toerana na any an-dilambato, mpiara-miasa, ekipa, staff teknika no nahazoana vokatra, ka notolorany fisaorana manokana. Ankoatra ny Cosfa, anisan’ny klioba na fikambanana ahitana taranjam-panatanjahantena manana ireo sokajin-taona isan-karazany ny EST. Raha atao jery todika ny vokatra azo tamin’ny taom-pilalaovana teo iny, nisongadina ny taranja handball, izay nanao pao-droa (minime sy cadet) tamin’ny fahazoana ny tompondakan’i Madagasikara. Ho an’ny basikety kosa, raraka tamin’ny manasa-dalana avokoa, saingy nandray anjara daholo ireo sokajin-taona rehetra, toy ny U-12/ 14/16/20. Tsy nisy amboara fa nisy ny lesona azo tsoahina. Nifanampy sy nandray anjara tanteraka ireo ray aman-dreny amin’ny fanatontosana ny zava-drehetra, misy manatrika sy manosika ireo tanora. Teo amin’ny taranja atletisma indray, nahafaly sy nihatsara isan-taona ny vokatra. Tsiahivina, efa mahatratra hatramin’ny 1 200 eo izao no isan’ny mpikambana ao amin’ ny klioban’ny EST. Hiezaka hatrany ny klioba hanatsara hatrany ny vokatra amin’ny taona hoavy.
Mi.Raz




