Minisitra Rivotiana Jean Bosco : “Samy hijinja ny nafafiny amin’ny propagandy”

“Ho avy ny fifidianana amin’ny 16 novambra. Misy ny sasany tsy mety manao fampielezan-kevitra. Safidy io. Tsy azo terena hanao fampielezan-kevitra ny tena. Sa­my mijinja izay afafiny amin’ny fampielezan-kevitra”. Izay ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, i Rivotiana Jean Bosco, manoloana ny vondron’ny kandidà tsy mety manao fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Vavo­lom­belon’ny mpiasa ny bainga voavadika amin’izay fampielezan-kevitra izay. Tsy manao fampielezan-kevitra ve ny te­na dia tsy hanaiky izay valim-pifidianana mivoaka eo?
Tsy eto Madagasikara irery no misy kandidà tsy mety manao fampielezan-kevitra toy io, araka ny fanazavany. Tany Côte d’Ivoire, ohatra: tsy nisy niditra ny kandidà rehetra, fa voafidy 99% ny filohan’ny Repoblika an-toerana amin’izao fotoana izao. Misy mpanara-maso fifidianana avy any Côte d’Ivoire hanara-maso an’i Madagasikara. “Hiatrika fifidianana isika izao”, hoy izy. Aleo ny vahoaka hisafidy ny olona hitondra azy mandritra ny dimy taona manaraka. Ny filazana mialoha fa hoe hisy hosoka sy hala-bato ny fifidianana, nahoana no mitsara an-tendrony ambony ihany toy izany? Nomen’ny Ceni ny kandidà rehetra ny rejisitry ny lisi-pifidianana, ary tsy mbola nisy toy izany. Nefa tsy nandray ry zareo. Nefa amin’izay no tokony hijerena izay anarana miverina.

R. Nd.

Partager sur: