Mois : octobre 2023

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 652 tapitrisa Ar ny famatsiam-bola nataon’ny tetikasa Fihariana hatramin’ny taona 2019. Entina hanohanana ireo mpandraharaha misehatra amin’ny famokarana savony, sy ny vokatra fikarakarana tarehy ary ny “huiles essentielles” maro isan-karazany izany. Hiara-hisalahy ho an’ny paikady hoentina mandritra ny efa-taona ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy ny ONG Welthungerhilfe (WHH) sy […]

Maxitombola SMMEC: nahatratra 12 000 ny mpandray anjara

Nankalazain’ny Orinasa ma­lagasy fitahirizam-bola iombonana sy findramam-bola, ny 14 oktobra teo, teny amin’ny kianja Coliseum Antsonjombe, ny Andro maneran-tany ho an’ny tahiry. Lohahevitra noraisina « Ny tahiry no antoky ny hoavy », « Ny tahiry tsara tantana, hoavy milamina ». Natao nandritra ity fotoana teny Antsonjombe ity koa ny fisarihana […]

Angovo azo havaozina: herinaratra 50 Mw vaovao isaky ny distrika 46

Manohana an’i Madagasikara amin’ny famatsiana herinaratra ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hisitrahan’ny 70% amin’ny tokantrano malagasy izany hatramin’ny taona 2030. Mitentina 400 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena hananganana foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro eto Mada­gasikara. Miisa 46 ny foibe hatsangana any amin’ny distrika 46, samy hamokatra 50 Mw […]

TARATRY ny KANTO

Dama sy Erick Manana, any La Réunion. Taorian’ny seho roa ho fiverenana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, fantatra fa hanomboka ny fitetezam-pirenena indray i Dama sy Erick Manana. Atsy amin’ny Nosy La Réunion izy mirahalahy ny sabotsy 21 oktobra izao, hitondra indray ny “Feo roa, gitara roa”. Tetikasa efa an-taonany maro […]