Taona 1960, nampidirina tao anatin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ny ankamaroan’ny firenena voazanaka. Amin’ny ankapobeny, ny mpanjanaka ihany no tao ambadik’ireo mpitondra napetrany. Nanao randra-mitarika an-taona maro ity vanim-potoana ity, satria, hain’ny mpanjanaka ny tsiambaratelon’ilay firenena zanahiny. Fantany tsara fa firenena manan-karem-be ka tsy tokony havotsotra. Firenena manana mpitondra adalam-bola […]
Mois : octobre 2023
Fampirantiana Haikanto : hanandratra ny kolontsaina malagasy ny rantin-dRaharimanana Jean Luc
Fantsona iray ahafahana mitondra fanabeazana sy fanentanana ary fampahatongavan-tsaina ny haikanto. Izany indrindra no nanosika ity mpahay kanto ity hanao izao fampirantiana izao, ho fanandratana ny kolontsaina sy ny maha izy ny Malagasy. Ho tanterahina eny amin’ ny Musée de la Photographie Anjohy, ny 21 oktobra 2023 hatramin’ny 31 desambra […]
Olana goavana : mahatratra 70 % ny tanora tsy an’asa eto Madagasikara
Olana goavana eto Madagasikara ny tsy fananana asa. Mihatra amin’ny tanora sy miteraka fahantrana ankapobeny eto amin’ ny firenena, izay nisy 72,5 % tamin’ny 2012 ary 10 taona aty aoriana, ny 2022 , nitombo ny fahantrana, nahatratra 81 %. Araka ny fanadihadiana natao, mitombo hatrany ny tsy fananana asa eto […]
FANTINA sy FINTINA
Nanomboka ny propagandiny tao Ambositra, tanindrazany, ny kandidà Raderanirina Sendrison, ny faran’ny herinandro teo. Naka tsodrano amin’ireo any an-tanàna ny tenany sady nanangana ny Tsangambato , efa niondrika tao anatin’ny 35 taona any an-toerana. Nanolotra omby mazavaloha ho nofon-kena mitam-pihavanana izy. Manamafy ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) fa manameloka […]
Filohan’ny Ceni : “Vonona hatrany amin’ny fifidianana izahay”
Vonona hatrany ny Ceni, na hatao amin’ny 9 novambra na amin’ny 16 novambra ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly. Nohazavainy fa araka ny fanapahan’ny HCC, mihemotra amin’ny 16 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana. “Tsy manana fahefana hanemotra fifidianana ny Ceni, fa ny manolotra […]




