Mois : octobre 2023

Eiti Madagasikara : fitrandrahana isitrahan’ny eny ifotony

Natao ny 12 oktobra teo, teny amin’ny foibe Mining business center (MBC) Ivato, ny loabary an-dasy ho an’ny daholobe. Mifantoka tamin’ny lanjan’ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Mada­gasikara ny lohahevitra. Nandray anjara ny fiaraha-monina sivily, ny fanjakana, ny orinasa mpitrandraka, ny teknisianina amin’ny lafiny fampandrosoana. […]

Ambanja : Vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra

Mitohy hatrany ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ho tombontsoan’ny besinimaro. Ankehitriny, vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (central solaire), CS ao Ambanja. Hanana tanjaka 825KWc ny fotodrafitrasa, ampian’ ny milina mpihary herinaratra miisa efatra. Ny roa hanome tanjaka 660KW, ny roa hafa […]

INDRAY MIJERY

Notolorana fitaovam-pianarana ahitana kahie, penina, pensilihazo, solaitra ireo mpianatra miisa 55 tra-boina tamin’ny haintrano tao amin’ny fokontany Amba­lahosy Atsimo, kaominina Kianjavato, Cisco Mananjary, tamin’ity herinandro ity. Nisy ny fifanakalozana traikefa teo amin’i Madagasikara sy India, indrindra teo amin’ny fandrindrana ho an’ny mpiantsehatra rehetra mialoha, mandritra ary aorian’ny loza. Misy ifandraisany […]

Miteraka fifanolanana : atsahatra ny fivarotana tanim-panjakana

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, fa atsahatra tanteraka ny fivarotana na famindrana ny tanim-panjakana natokana “terrain du domaine privé affecté” an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ireo ivontoeram-pikarohana ary ny IST. Nosinganina ma­nokana ny tany ampiasain’ny Ivontoerana fikarohana mom­ba ny fanafody (Cnarp) eny Ambodivoanjo-Ambohi­jatovo, izay nangatahan’olon-tsotra […]

« Jalsa Salana »: niombom-bavaka ny Miozolomanina Ahmadiyya

Tontosa, ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny Miozolomanina Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe fanao isan-taona faha-17 na « Jalsa Salana » 2023. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra narahina fampianarana sy fanamafisana hatrany ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Araka ny fanazavan’ny misionera, Ahmed Mudassir, ny rafitra ny “Jalsa Salana” dia […]