Mois : octobre 2023

Atsimondrano : azo ambolena vary indroa isan-taona ny lemak’i Fidasiana

Mitohy ny vinan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), manavao sy manarina ny fotodrafitrasa ara-pambolena. Nosantarin’ny minisitra Ramilison Harifidy, ny 12 oktobra teo, ny fanombohan’ny asa, hanarenana ny fanajariana ny lemak’i Fida­siana, ao amin’ny distrika Atsimondrano. Mitotaly 800 ha ny lemaka, ka azo atao ny mamboly vary indroa isan-taona. Izany hoe ahazoana voka-bary […]

Hafanana tafahoatra : mirongatra ny afo sy ny setroka

Nitondra fanazavana ny Dr. Salama Jean Claude, talen’ny Fitantanana ny loton’ny rivotra, ny fako, ary ny ambain­dain’ny tontolo iainana (DPDIDE) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), mikasika ny hafanana tafahoatra sy ny setroka eto amin’ny faritra Analamanga. Nambarany fa maromaro ny antony mahatonga izany, vokatry ny […]

Hitsinjovana ny maitsoahitra : amidy 800Ar ny kapoakan’ ny vary makalioka

Vidiana mora ny kapoakam-bary makalioka sy ny vary nafarana amina fokontany maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Paikady entina hitsinjovana ny mpanjifa amin’izao vanim-potoana hidirana amin’ny maitsoahitra izao. Ho hita eny amin’ny mpivarotra mpaninjara amina fokontany samihafa eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny vary makalioka amin’ny vidiny 800Ar ny ka­poaka sy ny vary nafarana 750Ar. […]

TARATRY ny KANTO

«Jôkôsô – Festival du Rire». Fizarana ataon’i Gothlieb sy ireo sangany eo amin’ny hatsikana ma­lagasy no hamaranana ny «Jôkôsô – Festival du Rire» amin’ity anio ity. Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana ahitana ireo mpanao hatsikana maro samihafa eny amin’ny Plaza Ampefiloha. Anisan’izany i Dadavy, Francis Turbo, Sombiniaina Fotsiny…. «Festival Madajazzcar». […]

“Tsy revin-gadra Tour” : hizara ny kantony etsy Antsahavola i Johasina

Seho telo no kasain’i Johasina ho tontosaina mandritra ny “Tsy revin-gadra Tour”. Efa vita ny tetsy amin’ny La Teinturerie, ny 29 septambra, sy ny tany amin’ny Bar’Haingo Antsirabe, ny 7 oktobra, tao anatin’ny hetsika “Madajazzcar”. Hofaranan’ity mpanakanto ity anio kosa, ny andian-tseho izay nomaniny eto an-tanindrazana. Hotontosaina eny amin’ny Sambalia […]