Nisy nandoro, tamin’ity herinandro ity, ny vohitra masina eny Filahoana, iafenan’ny masina Andriampanarivomanjaka, ao Mandrosoa Andramasina. “Mitohy ny fametavetana sy fandorana ny hasina sy ny maha izy azy ny tanàna. Tsy azo ekena izany ka tsy maintsy mijoro isika rehetra taranaka”, hoy ireo mpitana ny nentin-drazana avy amin’iny faritra iny. […]
Mois : octobre 2023
Fampivelarana ny haikanto : miofana ao amin’ny Cites des Arts i Ashiko Ratovo
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Ashiko Ratovo. Miatrika fiofanana ao amin’ny Cités des Arts, ao Paris, indray izy amin’izao fotoana izao, taorian’ny niatrehany ny fifaninanana “Courant du monde”, ny herinandro lasa teo. Manatanteraka fiofanana ao amin’ny Cités Internationale des Arts, ao Paris, Frantsa, nanomboka omaly hatramin’ny 27 desambara 2023, […]
Toetry ny andro: ahina ny mety hisian’ny havandra
Nampitandrina ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa mandritra ny rotsakorana izay andrandrain’ny faritra afovoantany hatry ny omaly, mety hitohy anio. Hisy ny havandra amin’ny toerana sasany mety hanimba ny voly. Voakasik’ity vinavina amin’ny filatsahan’ny havandra ity ny faritra Analamanga manontolo sy Alaotra Mangoro ary Vakinankaratra. Omaly, nisitraka orana […]
Mpanazava eto Madagasikara: “Mila matoky tena ny zatovovavy”
Ny fahazotoana manoloana ny zava-tsarotra mety handalo no mahatonga ny ankizivavy sy ny zatovovavy ho fanoitry ny fanovana ny hoavy ho tsara kokoa hatrany. Mihamaro ny zava-tsarotra iainan’ny ankizivavy ankehitriny eo amin’ny tontolo misy azy. Mila mivonona ho amin’izany izy ireo ary mila mahazo fanabeazana mifandraika amin’izany. Nandritra ny fankalazana […]
Mammographie : fitaovana tokana fitiliana ny homamiadan’ny nono
Ao anatin’ny “Octobre rose” na iray volana hanentanana ny fisorohana amin’ny homamiadan’ny nono isika. Miresaka momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mammographie ny radiologue eo anivon’ny CHU Andohatapenaka, Rasoamaharo Miangaly Soaniaina. Anisan’ny homamiadana voalohany mamely ny vehivavy ny homamiadan’ny nono. Raha voatily mialoha anefa izany dia ambony ny taham-pahasitranana, hoy ny […]




