Manana ny lanjany amin’ ny lafiny fampandrosoana eto amintsika ny sehatry ny jono, satria manana fari-dranomasina midadasika i Madagasikara. Manana paikady mazava ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, misahana izany ao anatin’ny fandaharanasa «Fampandrosoana sy ny jono sy ny harena an-dranomasina». Maro ny zava-bita tamin’ izany, ka miisa fito […]
Mois : octobre 2023
VAOVAO TAMBATRA
Voarara ny fihinanana ny henan’ny antsantsa sy ny « sardine », any amin’ny faritra Analanjirofo, manomboka amin’ity volana oktobra 2023 ity, hatramin’ny volana mai 2024. Noraisin’ny fanjakana ity didim-pitondrana ity, hisorohana ny mety ho fanapoizinana amin’izao vanim-potoana mafana izao. Nindram-bola amin’ny Banky koreana Exim Bank ny fanjakana. Natao hanatanterahana ny […]
Ambovombe Androy : nahomby ny foara Voatse
Nifarana ny sabotsy 7 oktobra 2023 teo ny foara Voatse, natao tany Ambovombe, faritra Androy. Tonga marobe ny vahoaka nandritra ity fotoana ity, taratra sahady amin’ny fahavononan’ny rehetra hampandroso ny faritra Androy, entina hiadiana amin’ny fahantrana sy ny kere. Nanomboka ny 4 hatramin’ny 7 oktobra ity foara Voatse, andiany voalohany […]
Banky iraisam-pirenena sy ny FMI : miisa 12 ny fandaharam-potoana any Maraoka
Hanomboka anio 9 hatramin’ny 13 oktobra 2023 ny fivoriambe fanao isan-taona eo amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Fihaonambe handinihina ny toekarena, ny asa, ny fiovan’ny toetr’andro, sns. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), mandritra ny fivoriambe faharoa, hatao any Marrakech Maraoka, […]
INDRAY MIJERY
Nanolotra ordinatera mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy “kits solaires” efatra ho an’ny CFPF ny minisitry ny Fampianarana teknika. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Paositra ny fampitaovana. Nanome tany ihany koa ny minisiteran’ny Paositra ahafahana manitatra ny CFPF Antsiranana. Maro ireo vehivavy maniry hiofana ao ka nanome valonan-damba sy « batteuse » ho an’ny CFP […]




