Mois : octobre 2023

Mandritra ny tontolo andro anio : hitohy eto Analamanga ny tolotra fahasalamana

Mitohy ny hetsika tolotra fahasalamana manakaiky va­hoaka tsy ankanavaka ataon’ ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka maro. Nisitraka koa ny mponina eto Anala­manga nanomboka ny sabotsy teo ary hifarana anio. Ho an’ny eto Antananarivo Reni­vohitra, eny amin’ny kianja filalaovana basket-bal eny Andraisoro no handraisana ireo mila fizahana sy fitiliana […]

Governemanta rosianina: hanolotra vatsim-pianarana ho an’ny Malagasy

Hanome vatsim-pianarana 40 ho an’ny fampianarana ambony natokana ho an’ny teratany malagasy ny governemanta rosianina. Manomboka amin’ny taom-pianarana 2024-2025 ho avy izao izany. Hiarahan’ny masoivohon’i Rosia eto amin’ny firenena sy ny Malagasy tomponandraikitry ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana ary hatao mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy izany. Tanjona ny hampiroboroana sy hanamifasana ny […]

Sonose/Mada: “Takinay ny hijerena ny zo aman-kasin’ny mpanabe”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Solidarité des normaliens en sciences de l’éducation de Madagascar – Sonose/Mada, tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Hentitra ny fitakian’izy ireo. Tsy tokony hijanona ho fankalazana fotsiny ihany izany fa hanao­vana jery todika ny dingana vita sy ny mbola hatao […]

« Cosafa Cup » : lalao am-boninahitra sisa no ataon’i Madagasikara

Fiarovana ny voninahitra sisa no lalao miandry ny Barea amin’ity fifaninanana « Cosafa Cup », taranja baolina kitra, sokajy vehivavy ity. Faharesena faharoa izay no azon’izy ireo, lavon’i Afrika Atsimo, mpampiantrano tamin’isa 3 no ho 1 i Madagasika­ra, nandritra ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “A”, izay natao ny sabotsy […]

Kitra – D2 Nasionaly: tafita OPL ny KFCA Diana sy ny FC Inate Vakinankaratra

Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianjan’i Barika­dimy Toamasina ny fifaninanana “Poule des AS”, ho an’ny diviziona faharoa, taranja baolina kitra eto amintsika. No­rombahin’ny KFCA Diana ny amboarabe sy ny lelavola 6 tapitrisa Ariary rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny FC JM Androy. Ny ekipan’ny FC Inate […]