Ao anatin’ny fanomanantena tanteraka, hiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena “World Jiu-Jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, amin’izao, ireo solontena malagasy. Araka ny tapaky ny avy eo anivon’ny kaomisiona teknika manaraka akaiky ireo Malagasy mpikatroka ireo, handray anjara amin’ny sokajy “Amateurs” ihany koa ny Malagasy. I Christian, tepana fotsy, -62 kg, i […]
Mois : octobre 2023
Basikety”Road to BAL” : voalohany ao amin’ny vondrona E ny Cospn
Vokatra tsara no azon’ny ekipa malagasy, Cospn Madagasikara, niatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL” 2023, taranja basikety. Fifaninanana nizotra teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, nanomboka ny 6 oktobra lasa teo ary nifarana omaly alahady. Ekipa 3 no nifaninana tao amin’ny vondrona E, nahitana ny Beau Vallon Heat […]
Sombim-baovao
Hanomboka anio 9 oktobra 2023, ny « fenêtre Fifa ». Raha ho an’ny Barea, hisy lalao ara-pirahalahiana roa miandry azy ireo. Ny fihaonana amin’i Mauritanie sy i Bénin. Marihina fa any Marôc no hanaovana ireo lalao ireo. Ilay Malagasy Mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix no hitondra vonjimaika ny ekipam-pirenena malagasy raha ny lamina […]
Volley-“Coupe de Mada” : hatao any Mahajanga manomboka ny 27 oktobra
Ny ligin’i Boeny no handray ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, amin’ity taona ity. Fifaninanana hotanterahina ny 27 oktobra hatramin’ny 4 novambra izao, ao amin’ny kianja “complexe sportif” Ampisikinana Mahajanga. Ny sokajy lahy sy vavy no hifaninana ary misokatra ho an’ny klioba rehetra manerana ny ligim-paritra rehetra. Fifaninanana mamaramparana […]
Rugby – XXL Top 20: tompondakan’i Madagasikara ny FTM Manjakaray
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2023, ny FTM Manjakaray (Dakar), eo amin’ny taranja rugby. Resiny teo amin’ny famaranana ny Cosfa (Bebaoty). Norombahiny ny lelavola 3 tapitrisa Ar sy ny amboara lehibe. 5 taona aty aoriana, niverina eo am-pelantanan’ny FTM Manjakaray indray ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara azy, eo amin’ny taranja rugby. […]




