Musée de la Photographie Anjohy. Nisokatra ny 6 oktobra 2023, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampiratiana « Voyage en pays Bara et Vezo ». Rantin-tsary anehoan’i Jacques Fablée ny talenta amin’ny fanehoana an-tsary ny hakanton’ny tontolo amin’iny foko Bara sy Vezo iny. Madajazzcar. Hameno ny ivon-toeran’ny kolontsaina maro samihafa […]
Mois : octobre 2023
Fanokafana ny taom-pianarana 2023-2024: naneho ny halehibeny ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany
Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany). Nosokafana ny sabotsy teo, tamin’ny fomba manetriketrika, nanaraka ny fenitra Fi.Mpi.Ma ny taom-pianarana kabary 2023 – 2024 eo anivon’ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny kabary malagasy ity. Fotoana nanehoan’ Andriamboavonjy Hanitra, filohan’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany, tamin’ny alalan’ny tarehimarika ny halehiben’ny sehatra iasan’ny […]
« Couvre-feu » ny zoma : nanakorontana ny fety aman-danonana
Inona koa ity fepetra nilatsaka tampoka ity? Toy ny vara-datsaka tokoa no nandraisan’ireo mpanakanto, tompona trano filanonana sy fialamboly, mpikarakara « cabaret », sns, raha naheno fa misy « couvre-feu » mihatra tampoka ny zoma teo, manomboka amin’ny 10 ora alina. Tsy nisy niomanana akory fa efa ny alina vao […]
Fampisehoana “Kontroller”: tanjona ny hampiroborobo ny « Pantsula »
Ao anatin’ny fivelarana tanteraka ny “Pantsula” ankehitriny, indrindra ny eto Afrika. Maro ny hetsika karakarain’ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany, ary hitohy amin’ny toerana hafa. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba, ny fampisehoana « Kontroller » niarahana tamin’ny vondrona mpandihy avy any Afrika Atsimo, Fishers […]
FANTINA sy FINTINA
Nilaza ny hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena ny kandidà, i Paraina Auguste. “Miantso anareo mpitandro filaminana mba hampitsahatra ny herisetra amin’ireo mitaky ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy ny zo fototra”, hoy izy. Efa tsy azo antoka ny zandary sy ny fitsarana ka voatery izahay hampiakatra izany amin’ny […]




