Nivoaka ny didy fisamborana ilay teratany belza, Mirgaux David, mpanolotsaina teknika ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), taorian’ ny fametrahan’olon-tsotra fitoriana teny anivon’ny fampanoavana ao Toamasina. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ihany no hanatanteraka izany ka aorian’ny famotorana, tsy maintsy hatolotra ny fampanoavana ny raharaha. Trangan-javatra maromaro no votoatin’ny fiampangana azy. […]
Mois : octobre 2023
TSELATRA
Voasambotry ny polisy ilay renim-pianakaviana namono nahafaty an-janany tao Mangarivotra, kaominina Antsiranana, afakomaly. Nandaka vilany tampoka io zanany lahy io ka novonoin-dramatoa reniny. Nasesiny tany anaty lavadrano ny fatin-janany ka tsikaritry ny manodidina izany. Mpandeha telo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny RN6 mampitohy an’Antsiranana, ny 2 oktobra […]
Voaroba ny 12 tapitrisa Ar: atidoha nikotrika ny vinantolahy
Norobain’ny lehilahy iray ny volan-drafozany haterina any amin’ny banky tao Ambatomirahavavy, omaly. Tsy afa-nandositra izy sy ny namany ka tratran’ny zandary. Vinantolahy an’ny voaroba ny iray tamin’ireo telo lahy naka ny vola 12 tapitrisa Ar voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ambatomirahavavy, omaly. Hanatitra vola any amin’ny banky […]




