Mois : octobre 2023

Anjaramanantsoa Laza Fanambinana : “Tokony hirosoana ny safidim-bahoaka amin’ny alalan’ny latsa-bato”

Hanao ahoana ihany ny fifidianana? Maneho ny fijeriny ny olom-pirenena tsotra, maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: ” Ny safidin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny latsa-bato no tokony hirosoan’ny rehetra.” Fanehoan-kevitra… “Tsy hanova na inona eo amin’ny fiainanao ny ataon’ny mpanao politika. Misy efa nanana ny toerany teo aloha, mbola mieritreritra […]

TARATRY ny KANTO

“Madajazzcar”. Hetsika maro no hanamarihana ny “Festival International Madajazzcar”. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, anisan’ny hetsika tanterahina ao anatin’izany ny “Jazz in Garden”, “ Sunset Jazz on rooftop”, “Jazz funk”… Mpiangaly Jazz manana ny maha izy azy maro no hanafana izany hetsika izany. “Oeuvres Poétiques de Jacques Rabe­ma­nanjara”. Hisy ny […]

Hira evanjelika : manohy ny lalany ny Groupe Heritsaina ZJ

Taona 2000, nanomboka nanajary hira Rakotoarisoa Heritsaina Andry, mpitarika ny Groupe Heritsaina Zanak’i Jesosy na ny Groupe Heri­tsaina ZJ. Taona 2016, nanapa-kevitra izy fa hiditra miandalana ho amin’ny sehatra maha matihanina amin’ny fiangaliana ny hira evanjelika. Teo no namoahany ny kapila mangirana laharana voalohany « Tour-ko’zao » Tombony ho azy ny nilonany […]

Dihy afrikanina : tonga eto amintsika ny dihy « Pantsula »

Tontosa omaly, teny amin’ny Alliance française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika fampahafantarana sy fampianarana ny dihy « Pantsula ». Ny tarika Fishers of man & Lucky Dancers, avy ao Afrika Atsimo no mitondra izany hetsika izany, miaraka amin’ireo vondrona mpandihy eto Madagasikara. Tanjon’ny mpikarakara amin’izao hetsika izao ny hampahafantarana ity dihy ity. […]

« Artistic meeting » : niray sehatra ny Malagasy sy ny Japoney

Sehatra iray, afaka ifanakalozana sy mampitombo ny fifandraisana eo amin’izao tontolo izao, ny haikanto sy ny kolontsaina. Ankoatry ny fahazoana traikefa sy fahaiza-manao, mampisy sy mampitombo ny firahalahiana sy firaisan-kina ihany koa ireny fifanakalozana ara-kolontsaina sy haikanto ireny. Tontosa omaly, teny amin’ny Maro Madagasikara Ankorahotra, ny hetsika “Artistic meeting” nokarakarain’ny […]