Mois : octobre 2023

Rugby « Mondial 2023 » : hanao famaranana ny Sprinboks sy ny All Blacks

Hotanterahina anio sabotsy 28 oktobra, any France, ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja rugby. Ny ekipam-pirenena Springboks, Afrika Atsi­mo sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande no hifanandrina amin’izany. Tsiahivina fa ny sabo­tsy sy ny alahady lasa teo izy ireo no tafavoaka tamin’ny manasa-dalana. Raha hiverenana izany, ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Volley-ball, «Coupe de Mada». Nanomboka omaly zoma 27 oktobra, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley-ball. Fifaninanana tanterahina any Mahajanga ary haharitra hatramin’ny 4 novambra izao. Manana solontena avokoa ny ligim-paritra rehetra manerana ny Nosy. “Basikety-fampiofanana”. nifampizara traikefa tamin’ny Malagasy mpitsara, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly, ny manampahaizana iraisam-pirenena […]

Basikety N1A, vehivavy : fantatra ireo hiatrika ny manasa-dalana

Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1A, taranja basikety, sokajy vehivavy. Fantatra avokoa ireo ekipa tafakatra hiatrika izany, anisan’izany ny ekipan’ny Mb2All Analamanga. Ekipa anisan’ny nisongadina indrindra ity ekipa ity, satria fandresena 10 tamin’ny lalao 10 natrehany no norombahany. Izany hoe […]

Baolina kitra : lasa mpanazatran’i Soudan Atsimo i Nicolas Dupuis

Rehefa tsy heno nandritra ny fotoana maro i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar teo aloha, fantatra fa nahazo fifanarahana atsy Soudan Atsimo. Izy no hitondra ny Bright stars, ekipam-pirenena eo amin’ny fifanintsanana ny «Mondial 2026». Nambaran’ny federasi­on’ny baolina kitra Soudan Atsimo (SSFA), omaly zoma, tao amin’ny tambajotran-tseraserany fa […]

Dokotera veterinera : vitsy anisa eto Madagasikara

Mbola tsy ampy isa ireo dokotera veterinera eto amintsika raha oharina amin’ny filan’ny firenena amin’izao fotoana. Manodidina ny 600 eo ny dokotera veterinera ilain’i Ma­dagasikara, araka ny fanazavan’ny Pr Rafatro Herintsoa, nandritra ny famoahana tamin’ ny fomba ofisialy ireo dokotera veterinera, ny alarobia teo. Tanjona ny hampitombo isa azy ireo […]