Mois : octobre 2023

VAOVAO TAMBATRA

Vonona sy afaka miasa ireo fitaterana an-dalamby (train urbain) eto an-drenivohitra. Efa vita avokoa ireo fiantsonana rehetra hatreny Amorona­kona. Hiodina amin’ny “diesel” ity fitaterana ity ary mahavita zotra hatramin’ny enina isan’andro. Misy ny dingana sy lamina amin’ny fidirana ny amin’ny “train urbain électrique”. Mpizahatany 4 931 avy any Pologne no […]

Lavanty tany Toamasina : tsy nantsoina ny Antenimieran’ny Varotra

Nifarana ny fanaovana lavanty tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nanatanteraka izany ny sampandraharahan’ny ladoany, ny orinasa SMMC, ny Mictsl, ny vadintany, ny Bianco. Nilaza ny tomponandraikitry ny ladoany Toamasina, Rakotonirina Hery André, nandritra ny fanokafana ny lavanty, ny 16 oktobra teo, fa antsoina ny Antenimi­eran’ny varotra sy ny indostria (CCI) raha […]

Jirama : nampiakarina ho 17 000 m3 ny fandaniana solika

Nifampiraharaha ny fanjakana, ny Jirama ary ny orinasa Jovena fa ampiana 2 000 m3 fanampiny ny solika menaka mavesatra hafarana avy ivelany. Anisan’ny antony ny fitomboan’ny fandaniana solika amin’izao vanim-potoana mafana izao. Ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 24 oktobra teo, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny fanaovan-tsonia […]

Minisitra Rivotiana : «Samihafa ny fitakiana sendikaly sy politika»

“Tsy tokony hafangaro ny fitakiana sendikaly sy ny fitakiana politika”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Asa, Rivotiana Jean Bosco, manoloana ny fitakian’ny sendikà ny hamahana ny olana politika. Ny fitakiana sendikaly dia natao ho an’ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny momba ny asa. Toy izany, ohatra, ny amin’ny karaman’ny mpiasa, ny […]

Fitoriana eny anivon’ny zandary : mitaky ny fampiharana ny lalàna mitovy i Hajo A.

Nanatona teny amin’ny “Brigade territoriale de la ville Antananarivo”, eny Betongolo ny kandidà laharana faharoa, Andrianainarivelo Hajo, sy ny mpisolovava azy, omaly. Nangataka ny tohin’ny fanadihadiana momba ny fitoriany tamin’ny fanimbana ny fananana teny Andavamamba sy Isotry, nandritra ny hetsiky ny kandidà, ny tenany tamin’izany. Nanteriny fa efa napetraka andro […]