Mois : octobre 2023

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny talata lasa teo ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des Champions 2024». Nandresy ny Braga, Portugal tamin’ny isa 1 no ho 2 ny Real Madrid FC, Espagne. Mbola na­hatafiditra baolina indray ilay anglisy mpilalao, Belling­ham, milalao ao amin’ny Real Madrid. Afaka roa andro, hifarana tanteraka […]

Kitra malagasy : noraisin’ny filohan’ny Fifa ny filohan’ny FMF

Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Nanatanteraka fihaonana voalohany tany Paris, ny filohan’ny Fifa, Gianni Infatino sy ny filoha vaovaon’ny FMF, Randria­ma­nampisoa Alfred. Nanazava misimisy kokoa ny fandaharanasany tamin’ity lehiben’ny baolina kitra maneran-tany ity ny tenany. Tao ihany koa ny resaka mahakasika ny […]

Fifindran-toerana: hilalao ao amin’ny Athletic Club Arlesien, Frantsa Rakool

Miandry ny “visa de long séjour” avy amin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), amin’ny hifindrany any Frantsa. Hanampy azy amin’ny fahazoana izany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), mpilalaon’ny CFFA teo aloha. Miandry ny fahavitan’ny «visa de long séjour»-ny izy, hahazoany miverina any Frantsa, […]

INDRAY MIJERY

Manohy ny asa fampandrosoana ny faritra Analamanga. Anisan’izany ny fanamboarana ny lalana rarivato eny Ambodirano Ampefiloha hahafahan’ny mponina mivezivezy ao anatin’izao fotoam-pahavaratra izao. Miainga eo amin’ny EPP mitsofoka any anaty tanàna ny fanamboarana. Hamafisina ihany koa ireo rarivato efa vita teo aloha mba hampateza azy. “Fampananan-tany ny vehivavy any ambanivohitra, […]

Loko misy firamainty : loza ho an’ny fahasalamam-bahoaka

Nitondra fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana momba ny herinandro maneran-tany ho fisorohana ny fa­na­poizinana avy amin’ny firamainty anaty loko. Andiany faha-11 nisian’ny hetsika amin’ity taona ity. “Manatsahatra ny fanapoizinana avy amin’ny firamainty” no lohahevitra. Iarahana manatanteraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Alliance mondiale ny hetsika izay tarihin’ny OMS […]