Mois : octobre 2023

« Madagascourt Film Festival, andiany faha-18 » : Malagasy 8 mpanatontosa no mandray anjara

Tanterahina eto Antanana­rivo sy any Mahajanga, ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, ny «Mada­gas­court Film Festival» (MFF), andiany faha-18, hetsika lehibe eo amin’ny sarimihetsika, indrindra ny sarimihetsika malagasy. Malagasy mpanatontosa miisa 8 no hita hifaninana ao anatin’ny 39 mpandray anjara, ary ahitana azy ireo avokoa ny sokajim-pifaninanana rehetra, ankoatra ny […]

Soratra : sady mpanoratra no mpamoaka boky

Manoratra ny mpanoratra. Mamoaka boky ny mpamoaka boky. Lamina ankapobeny mialohan’ny hahatongavan’ny boky eny am-pelatanan’ny mpamaky. Toerana ifaneraseran’ny mpanoratra sy ny mpamoaka boky ankehitriny ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy, noho ny hetsika « Heri­nandron’ny Havàtsa-Upem ». Amin’ny lafiny iray, misongadina be ny ezaka ataon’ny mpanoratra amin’ny fampahafantarana ny sanganasany. Tonga hatrany amin’ny famoahana […]

Miantso fiaraha-miasa ny taranany…: hisy fampirantiana homanina mahakasika an-dRakoto Frah

Mitoetra mandrakizay ny lazany. Saingy tiana hampahafantarina bebe kokoa Rakoto Frah, ka izay no himasoan’ireo mandrafitra ny tarika Rakoto Frah Junior amin’izao fotoana izao. “Ho antsika izay manana ny sarin-dRakoto Frah, mba miangavy fiaraha-miasa aminareo izahay”. Hafatra mipetraka ao amin’ny pejy Facebook, an’ny tarika Rakoto Frah Junior io. Miantso fiaraha-miasa […]

Fihariana tsy manara-dalàna : mibahan-toerana voalohany ny karazam-barotra

Nahazo vahana am-polo taona maro ny sehatra ara-toekarena tsy manara-dalàna eto Madagasi­kara. Raha tsorina ny famaritana azy dia tsy misoratra any amin’ny fanjakana. Mibahan-toerana voalohany amin’ izany ny karazam-barotra rehetra. Manome asa betsaka sy fidirim-bolan’ ny olona ny sehatra tsy ara-dalàna eto Mada­gasikara, indrindra ny varotra. Araka ny famaritan’ny Institut […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 88,86 dolara ny vidin-tsolika iray barila, omaly 26 oktobra. Nihena io vidiny io raha oharina ny herinandro lasa, satria efa tafakatra 92,88 dolara tamin’ny 19 oktobra. Tamin’ny iray volana lasa, ny 18 septambra kosa no ambony indrindra, nahatratra 94, 54 dolara. Hankalazaina isaky ny 27 oktobra ny Andro […]