Namoaka fanambarana ny fitantanana foibe ny fadintseranana (DGD) eto Madagasikara, omaly 25 oktobra. Ampahafantarina ny besinimaro sady manamafy fa misokatra tsy ankiato amin’ny andro sy ora fiasana mahazatra ny birao rehetra manerana ny Nosy. Tsiahivina fa nisy ny fe-potoana nomen’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fadintseranana 72 ora, mitaky hifandinika an-databatra boribory ireo mpanao politika hitady […]
Mois : octobre 2023
Vilam-bava!
Mampametra-panotaniana tanteraka ny foto-pisainana ataon’ny mpanao politika sasany. Ilay tsy lojika no zary lojikam-piainana eto Madagasikara. Ny marina havadika ho diso, ny mahitsy no lazaina fa mibiloka. Ny mpitarika aza toa mpitari-bato vilam-bava. Mivoy sy mitaky fampiharana lalàna, saingy mandika lalàna mibaribary. Tena manao fanahy iniana, sanatria manao fifampihantsiana. Mazava […]
Asa tanana : antoky ny fampiroboroboana ny toekarena
Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fanaovana asa tanana isan-karazany. Mamelona tokantrano maro samihafa izy ary manome lanja ny vokatra vita malagasy. Fihariana tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny Malagasy ny asa tanana. Miteraka asa sy mampidi-bola ary mamelona fianakaviana sy tokantrano samihafa izy ary fototra mampiroborobo ny toekaren’ny firenena. Manome lanja ny […]
Haintrano: lasa lavenona ny vola saika hanaovana mariazy
May kila forehitra ny trano iray nahitana rihana roa tetsy Mahamasina, tao amin’ny fokontany Tsimialonjafy, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao anatiny. May tao koa ny vola tahiry nokasain’ny fianakaviana iray hanaovana mariazy. Efitra iray tao anatin’ ny rihana voalohany, izay tsy nisy […]
TSELATRA
Mpitondra bisikileta iray naratra nodomin’ny kamiao lehibe an’ny mpitandro filaminana tetsy Anosizato, omaly. Tafasitrika tao ambanin’ny fiara mihitsy ilay bisikileta saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Naratra mafy ilay mpitondra ity farany ary nentina notsaboina. Foibe ana fahitalavitra iray ao Ambatondrazaka saika nodoran’ny tsy mataho-tody tao Ambohimiangaly, afakomaly alina […]




