Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fitaovana « SNISE en ligne ». Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny UNFPA, entina hanavaozana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Rafitra nasionaly hanombanana ara-informatika ny « SNISE en ligne » eo ambany fiahian’ny fitantanana jeneralin’ny Toekarena sy ny tetibola (DGEP), entina hanaraha-maso sady hanombanana ny fandaharanasan’ny governemanta. […]
Mois : octobre 2023
ODD : Tsy ho foana ny fahantrana amin’ny 2030
Ankalazaina isaky ny 17 oktobra ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fahantrana. Saingy tsy mety foana izany, fa vao maika aza hitombo any amin’ny firenena tena mahantra toa an’i Madagasikara. Araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny 22 oktobra 2023 teo, mbola miaina latsaky ny 6,85 dolara, izany hoe 30.000 […]
TARATRY ny KANTO
«Mamy indray ny miaina». Fampisehoana tokana no hotanterahin’i Henri Ratsimbazafy any Frantsa. Seho ao amin’ny Théâtre de Longjumeau 20 Av. du Général de Gaulle, 91160, ny 29 oktobra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Hiaraka hihira sy hanotrona azy amin’izany i Zo-Hely, Voahirana, Rija Ramanantoanina ary i Mamy. Fantatra fa […]
« Sokela, La parole du Sud » : namoaka ny edisiona faha-11 ny Pr Rasamoelina Henri
Navoaka tao Fianarantsoa, ary efa azon’ny rehetra, indrindra ireo mpianatra sy mpampianatra eo anivon’ny Oniversite, jifaina ny boky «Sokela, La parole du Sud», notontosain’ny Pr Rasamoelina Henri. Edisiona faha-11 amin’ity boky ity izao natonta izao. Boky 300 pejy, ahitana lahatsoratra manodidina ny 30 isa, nosoratana Malagasy mpandalina sy mpikaroka maro […]
Fakafaka: Angaha izy io tenitenenina fahatany e!
Ny Malagasy irery ihany no manana ireto fahendrena ireto : « Ny fanahy no maha olona », « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha », « Ny hery tsy mahaleo ny fanahy ». Kanefa, ny Malagasy tompony indray no tsy mahalala na tsy miaina azy ireny. […]




