Hifanipaka tanteraka ny mety ho fitrangan’ny toetr’andro ho an’ny tapany atsimo sy avaratry ny Nosy amin’ity fotoam-pahavaratra ity. Ahina ny haintany any atsimo, ary mampanahy ny tondradrano any avaratra. Ny tranga El Nino no mamaritra ny toetry ny andro amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny famantarana ny toetry […]
Mois : octobre 2023
Ihosy : notokanana ny QG an’ny TGV
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ao Ihosy ny QG “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” izay ahitana ny Upar, IFI, CS-ANR, AFF, T2MI, RPR, FIZAFAFI, TMH, FREEDOM sy ireo vondrona antoko hafa. Tanjona amin’izany ny fampandaniana ny laharana fahatelo amin’ny fifidianana izay hatao ny 16 novambra 2023 ho avy izao. Vahoaka […]
Edugascar – Filatex : nanome tohana ho an’ireo vahoaka sahirana
Nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana tao Ambatondrazaka nandritra ny efatr’andro (9 – 13 oktobra 2023 lasa teo) ny ekipan’ny Edugascar izay miara-miasa akaiky amin’ny vondrona Filatex sy ny Enelec. Dokotera 19 mianadahy no tonga tany an-toerana nanao fizaham-pahasalamana ho an’ireo vahoaka sahirana. Teo ireo nanana olana momba ny maso, teo koa ireo […]
INDRAY MIJERY
Natolotry ny minisitry ny Fampianarana teknika B ny fahazoan-dalana ara-panjakana hisokafan’ny ivontoeram-piofanana Axian Diploma, etsy Andraharo, ny herinandro lasa teo. Enina ny lalam-piofanana atolony ary manaraka ny «formation professionnelle qualifiante ». Mivoaka ho teknisianina avy hatrany ireo mpiofana. Nisitraka fitaovam-pianarana ahitana kahie, penina, aron’akanjo, pensilihazo ary fitsipika ireo mpianatra ao […]
PFSCE : tokony handanjalanja ny fitaovana ampiasainy ny mpitandro filaminana
Manoloana ny tranga niseho teny Itaosy, ny herinandro lasa teo, nandefasan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo olona nanao diabe, nifanila tamin’ny CSB II ny toerana nilatsahany ka nanempotra ireo zaza tao anatiny. Nanameloka ny fampiasana ny fitaovana tahaka ireny manakaiky toeram-pianarana, toeram-pitsaboana na faritra ahitana ankizy ny Vovonan’ny firaisamonina […]




