Mois : octobre 2023

Kitra –FMF: Vita ny fitsinjaram-pahefana ireo mpikambana

Taorian’ny fanatontosana ny fanomezam-pahefana ny filoha vaovaon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, ny alakamisy lasa teo, tetsy Mahamasina. Fantatra avokoa ny asa sy andraikitra raisin’ireo olona mikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny FMF izay miaraka aminy. Tsy niova tamin’ny toerany ny andraikitra raisin-dRaharimino Mario Rosario, filohan’ny kaomisionina baolina […]

Volley-ball : Raoelison Hasimbola Famonjena no DTN vaovao

Nandray ny andraikiny avy hatrany izy. Ny tenany no nahazo ny naoty ambony indrindra ta­min’ireo telo niatrika ny fanadihadiana nataon’ny vaomiera misahana ny fanendrena DTN, eo anivon’ny FMVB. Vaomiera izay notarihin’ ny filohan’ny federasiona, Raha­ri­malala Léa, Randrianilaina Bakoly Harisoa Clarisse, filoham-boninahitra, Rason Olivier, mpanolotsaina teknika, Raharinjoelina Fetison Hajatiana, sekretera jeneraly, […]

Sombim-baovao

Rugby. Notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny Federal 2. Nahazo fahombiazana indray ny 3F5 Amboditsiry. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 19 no ho 10 ny FTA Anjanahary. Araka izany, ity no faharesena faharoa azon’ny FTA Anjanahary. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, ny andro […]

Basikety N1A: samy nampiseho ny maha sangany azy ny Cospn sy ny GNBC

Lalao nanamarika ny an­dro fahefatra omaly, ao anatin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A, taranja basikety, ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny GNBC Analamanga, sokajy lehilahy. Niady tanteraka ny lalao teo amin’ny roa tonta ary samy nampiseho ny maha sangany azy ny andaniny sy ny ankilany. Nifandimbiasana ny famonoam-baolina ary […]

Tenisy : maniry ny ho lasa mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasy i Miary Zo

Mandalo eto an-tanindrazana, Rakotondramboa Miary Zo, Malagasy mpilalao tenisy. Mitondra ny traikefany ary mizara sy mifanakalo hevitra amin’ ireo zandry mpilalao sy mpanazatra ary mpanabe ny tenany. Manampy ara-pitaovana ihany koa izy sy ny ekipany. Namaly an-kitsim-po ny fanontanian’ny mpanao gazety, Rakotondramboa Miary Zo, mpilalo tenisy ny sabotsy lasa teo, […]