Miisa 19 340 ny fokotany manerana ny Nosy, voarakitra ao anatin’ny rejisi-pifidianana nasionaly, nofaranana ny 20 jolay teo. Tafiditra ao anatin’io ny fokotany voarakitra amin’ny lalàna 2018-011 sy ny noraiketina tamin’ny alalan’ny didim-panjakana sy didim-pitondrana, araka ny fanazavana nentin’ny tale misahana ny raharaham-pifidianana sy ny eo anivon’ny Ceni. Nanara-dia ny […]
Mois : octobre 2023
Hetsiky ny kandidà 11: tsy nanao sonia ny fifanarahana i Siteny R.
Notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny « Concert Fotsy », nokarakarain’ny kandidà 11, niarahana tamin’ireo Malagasy mpihira, maro samihafa. Tonga nanatrika izany ireo mpanohana sy mpiara-dia ireto kandidà ireto. Nandritra izany, nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanarahan’izy ireo amin’ny tsy hanatanterahana ny fifidianana. Tsy nanao sonia izany Randrianasoloniaiko Siteny fa nisafidy ny hanao […]
Mila mijery lavitra
Misy antony sy dikany ary vokany politika avokoa izay atao sy lazaina amin’izao? Indrindra ho an’ireo mpanao politika… Tsy inona fa fihazakazahana amin’ny hahazoana fanjakana amin’ny alalan’ny fifidianana. Amin’izany, misy ny liam-pahefana mihoa-pefy na mihazakazaka ivelan’ny lalana. Izay ny zava-misy sy iainana amin’izao? Misy tonga amin’ny fankahalana olona fotsiny […]
Kandidà Rajoelina Andry : « Laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka»
Vahoaka marobe no nanoina ny antson’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, afakomaly, tany Mahajanga. «Ho laharam-pahamehantsika ny sosialim-bahoaka », hoy izy. Nanohy ny fampielezan-keviny tany an-drenivohitr’i Boeny ny kandida laharana fahatelo, Rajoelina Andry, afakomaly. Vahoaka an’alina no nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy, nanaraka ny diabe nihazo ny kianja Rabemananjara, ary […]
Soavinandriana : dahalo telo matin’ny fitsaram-bahoaka
Niara-matin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo telo lahy mpangalatra omby tao Ambohipeno, fokontany Mahazina, kaominina Ankisabe, distrika Soavinandriana, ny alakamisy 19 oktobra teo. Nentin’izy telo mirahalahy ireo ny omby iray tao amin’io fokontany io. Nanara-dia tamin’izany ny fokonolona nampian’ny miaramila. Nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy kosa ny zandary. Latsaka afovoany ireo […]




