Mitohy ny fanarenana ny lalana eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny eny 67 ha sy ny manodidina, Ambodin’Isotry, Andavamamba, Ampefiloha. Manao ny asa, Andavamamba-Cenam, ny orinasa Colas. Efa rakofana tara ny eny Ankadimbahoaka, Tsimbazaza, Manakambahiny. Ho vita afaka roa herinandro ny eny amin’ny Gamo Ampasampito. Natao ny 19 sy ny 20 oktobra […]
Mois : octobre 2023
Orinasa Cementis : simenitra lakaoly «Raikitra»
Mivoatra sy mandroso ny fanaovan-trano. Hamoaka vokatra vaovao ny orinasa mpamokatra simenitra Cementis. Nampahafantarina ny mpitsidika ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH) eny amin’ny Zone Forello izany ankehitriny, izay haharitra hatramin’ny alahady 22 oktobra 2023. Simenitra lakaoly, antsoina hoe «Raikitra», ampiasaina amin’ny fametahana « carreaux ». An-taonany maro ny fikarohana […]
Fotoam-pahavaratra: nivoaka ny Tetiandrom-pambolena
Natao omaly, ny atrikasa mikasika ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2023-2024. Ilaina ny hamantaran’ny rehetra, satria marefo, mora iharan’ny loza voajanahary i Madagasikara. Iankinan’ny sehatra samihafa koa, toy ny lafiny fahasalamana, ny fambolena, ny fiompiana, ny fiahiana ara-tsosialy, sns. Nanohana ity atrikasa ity ny Fandaharanasa misahana ny ara-tsakafo maneran-tany (Pam). Nampahafantarina tamin’ny […]
Banky iraisam-pirenena : mila mahaleo tena ara-toekarena ny vehivavy
Manohana ny tovovavy sy ny vehivavy malagasy hahazo fampianarana sahaza sy hahaleo tena ara-toekarena ny Banky iraisam-pirenena. Hanatanterahana izany ny fandaharanasa hampahaleo tena sy hiatrehana ny fiainan’ny vehivavy aty Atsinanan’i Afrika (ERGER). Hanatsara ny fanabeazana sy ny fidiram-bolan’ ny tovovavy sy ny vehivavy ity fandaharanasa vaovao ity. Anisan’ny ifantohana ny […]
Minisitra Ravokatra Fidiniavo : “Feno ny fepetra ho amin’ny fifidianana”
“Mitondra any amin’ny krizy, raha vao mivoaka amin’ ny Lalàmpanorenana izay eritreretina hatao. Tsy mbola misy krizy ka tsy misy fifanarahana politika. Tsy misy koa ny eritreritra mankany amin’ny Tetezamita. Ao anatin’ny fanajana ny Lalàmpanorenana isika izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, […]




