Basikety N1A, hiditra amin’ny andro fahatelo anio, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara N1A lahy sy vavy, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nampiseho ny maha tompondaka azy ny MB2All Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy, izay nandresy ny TGBC Betsiboka tamin’ny isa 74 no ho 60. Nampiseho ny heriny ihany koa […]
Mois : octobre 2023
Rugby Mondial : hihaona i Angletera sy i Afrika Atsimo
Hotanterahina anio, ny manasa-dalana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja rugby, izay atao any Frantsa. Hifanandrina amin’izany ny XV de la Rose Angleterre sy ny Springboks Afrika Atsimo. Raha hiverenana ny ampahefa-dalan’ireo firenena roa ireo. Ny XV de la Rose, nandresy an’i Fidji, tamin’ny isa 30 no ho […]
“Madagascar tennis project” : mpianatra 160 nomena fahalalana fototra
Tonga eto Madagasikara ilay Malagasy mpilalao tenisy, i Miary Zo sy ny ekipan’ny AST Herblay, Frantsa. Mizara sy manome fiofanana ary manome fahalalana fototra amin’ny alalan’ilay tetikasa “Madagascar tennis project”, izy ireo. Notanterahina omaly, teny amin’ny sekoly Apeaf Antsobolo, ny tetikasa “Madagascar tennis project”, novolavolain-dRakotondramboa Miary Zo, mpilalaon’ny klioba AST […]
Collectif des travailleurs : mitaky ny fampanjakana ny tany tan-dalàna
«Tany tan-dalàna i Madagasikara ka tsy ho ekenay ny fampanjakana ny tsy ara-dalàna eto amin’ny firenena”. Io ny fehinkevitra navoakan’ireo vondron’ny mpiasa nivondrona tetsy Antaninarenina, omaly. «Tsy hanambara ny fomba fiady izy ireo fa miorina isaky ny sehatr’asa sy ny minisitera ny fifampidinihana hanatrarana ny tanjona», hoy Rakotondrahaova Didier, mpitondra […]
Fifidianana eo anivon’ny fitsarana : telo ireo kandidà ho an’ny CSM Toamasina
Manatanteraka ny fifidianana ny eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny mpitsara (CSM). Anisan’ny nanatanteraka izany ny ao amin’ny faritanin’i Toamasina. Nizotra ara-dalàna ny fifidianana ho an’ ny fari-piadidian’ny fitsarana ambony Toamasina. Ahitana rantsam-pitsarana miisa fito any an-toerana ka anisan’izany ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka, Moramanga, Vatomandry, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Maroantsetra […]




