Nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Anisan’ny nasongadiny ireo tranga niseho tato ho ato, momba ny fiainam-pirenena.. “Tsy azo ekena ny herisetra sy ny fampiasana hery amin’ny vahoaka. Tsy azo ekena tahaka izany ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Prefet an’Antananarivo”, hoy izy. Notsiahiviny ny voalazan’ ny Lalàmpanorenana momba […]
Mois : octobre 2023
Tetikasa “Mikolo Aina”: Vehivavy voafonja 28 nofanina hanjaitra
Nisitraka fiofanana momba ny fanjairana salaka azo sasana, niarahana tamin’ny ONG Douleurs Sans Frontières Madagascar, ireo vehivavy voafonja 28 tao Antanimora. Tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny tetikasa “Mikolo Aina”, fanohanana ny fandaharanasa Fanarenana ny hetsika. Namatsy vola ny Agence française de […]
Fifamoivoizana: miteraka loza ny tsy fitandreman’ ny mpamily
Hatao mandritra ity volana oktobra ity ny fanofanana ireo mpamily fitateram-bahoaka amin’ny zotra rehetra manerana ny Nosy na nasionaly na rezionaly, tanterahin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny GPM. Tanjona ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe. Notanterahina isaky ny tobim-piantsonana teto Antananarivo sy ny manodidina izany mba hahafahana mandrakotra tanteraka […]
Rivodoza: vinavinaina hiseho amin’ny janoary 2024
Nisy atrikasam-pirenena ho fampahalalana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2023-2024 nataon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro tamin’ity herinandro ity, teny Anosy. Hita ao anatin’ny vinavinan’ny taom-pahavaratra ny tombana mahakasika ny rotsakorana, ny maripana, ny vinan’ny rivodoza anatin’ny fito volana ho avy (oktobra hatramin’ny avrily) ary ny tomban’ny tandindon-doza. Momba ny rivodoza […]
Lycée Andranonahoatra : nametrahana fotodrafitrasa ahazoana rano madio
Niorina ny taona 2000, tany La Réunion, ny fikambanana Miaro, mitsinjo ireo taranaka malagasy nonina voalohany tany an-toerana. Nitarina taty Madagasikara ny asa ka sady manampy ny sekoly izy ireo no manohana ny tantsaha koa. Sahirana amin’ny fahazoan-drano ny mponina eny amin’ny cité akany Sambatra sy ny manodidina rehetra satria […]




