Nihazo tany Fandriana sy Ambositra ary Ambalavao ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa hipaka any amin’ny isam-baravarana ny fandaharanasany.
Notsiahiviny fa efa nanampy ny tany an-toerana ny tenany tamin’ny andron’ny Covid-19 sy ny rivodoza. Amin’ny andro sarotra no ahitana ny tena namana ary tsy azo sakanana ny fitiavana, araka ny nambarany. “Tsy fahefana na voninahitra na toerana no ilaiko fa ny fitiavana ny vahoaka. Hatao ny ezaka rehetra hahatongavan’ ny fampandrosoana any amin’ ny isan-tokantrano”, hoy izy.
Nanteriny fa betsaka ny asa efa vita sy ny mbola hatao ao Fandriana. Efa natao ny hahatongavan’ny fampandrosoana any ambanivohitra lavitra any… Anisan’izany ny EPP sy ny CSB ary ny fampitaovana ny hopitaly. Fanamby natao ny hanamboarana kianja miaraka amin’ny fitaovana ho an’ny tanora. Ny fanorenana oniversite sy ny hanamboarana ny lalana RN41 ho tara. Ho avy koa ny jiro ho an’ny isan-tokantrano…
“Tsy mbola resy mihitsy fa nandresy hatrany isika tamin’ ny fifidianana rehetra natrehiko”, hoy izy.
Filoha manakaiky vahoaka
Nitohy tany Ambositra izany avy eo. Nambarany fa tsy maintsy voalohany amin’ny atao ny tenany ka tsy maintsy ho lany izy. Teo ny efa naha voalohany azy taty Afrika teo amin’ny sehatry ny fanorenana fotodrafitrasa. “Minia mikipy ny sasany amin’izany nefa isika filoha manakaiky vahoaka sy mamim-bahoaka… Horesentsika avokoa ireo kandidà amin’ny 16 novambra”, hoy izy. Natsidiny fa anisan’ny hatao amin’ny fe-potoam-piasana manaraka ny hanala ny vahoaka anatin’ny fahantrana. Eo koa ny haha maoderina ny firenena ka tsy hampiasana labozia sy solitany intsony. Hisitraka hazavana ny isan-tokantrano ao Ambositra rehefa tonga marobe ny mpifidy ka mihoatra ny 60% ny vaton’ny kandidà laharana fahatelo, araka ny nambarany.
Synèse R.




