Namearison Robert : “Mitaky ny fijoroan’ny olompirenena ny toe-draharaha amin’izao”

Aiza ho aiza ny olompirenena amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Takina ny fijoroan’ny olompirenena, raha ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert. Fanehoan-kevitra…

“Mitaky amin’ny olompirenena tsirairay fandinihana lalina ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Eo koa ny famakafakana lalina sy fijoroana ho tena olompirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Misampana roa ny zava-misy: ny iray, milaza fandaharanasa; ny hafa, miteny fanadiovana tokotany vao manao fifidianana. Eo anoloan’izay, mila mandinika tsara ny olompirenena: aiza ny lalana heveriny fa mahasoa ny fireneny, ka hanapahany hevitra ny fanohanana azy?
Misy mpanao politika mampiely hevitra mieritreritra ny olompirenena ho toy ny zaza, ka manao takalo vola amin’izany. “Eo no mahatonga anay milaza hoe tokony hieritreritra tsara ny olompirenena manatrika fampielezan-kevitra: tena olombelona ve ny fiheveran’ny kandidà ny tena sa zavatra azo atakalo vola?”, hoy izy. Mila mieritreritra koa ny olompirenena manoloana ny fitakiana fanadiovana tokotany mialoha ny fifidianana: tena izay ve no hatao sa sarintsariny amin’ny lafiny politika? Mila olompirenena mijoro sy sahy manapa-kevitra ary matotra ny firenena amin’izao.

Mila fiovana sy fieritreretana lalina ny rehetra
Mandon-tratra ny fiarahamonina sivily fa tsy hita ny fanabeazana natao: samy maka ho azy ny olompirenena. Mbola mitoetra ny nataon’ny mpanjanatany hoe zarazarao hanjakana. Tsy misy intsony ny fijerena ny tombontsoa iombonana. Mila fiovana sy fieritreretana lalina ny rehetra amin’izany. Mety noho ny politika fanabeazana natao teto hatramin’izay izany, na ny fahantrana lalim-paka, na ny antony politika… Izay hahazoana fitondrana ny fanaovana politika eto Madagasikara hahazoana manao fahadisoana, izay arovan’ny toerana misy ny tena. Manaraka, atao izay ihazonana ny toerana hahazoana manao izay danin’ny kibo amin’ny fitrandrahana harem-pirenena: na olona io, na harena an-kibon’ny tany… Natao ivelomana ny fanaovana politika, fa tsy hijerena ny fiarahamonina malagasy sy hampandrosoana an’i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: