Ankasina: taolam-paty hita tao anaty bidao mavo

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7), 67 ha, teny Ankasina, afakomaly hariva ny jiolahy iray nahatrarana taolam-paty. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisian’ity jiolahy ity mihaodihaody eny amin’iny faritra Ankasina iny. Tsy azo antoka fa mitondra zavatra mifonofono selofanina. Mivezivezy eny Ankasina izy, araka ny fahitan’ireo olona nampita ny vaovao tamin’ny polisy. Tsy niandry ela ny polisy fa namonjy ilay toerana voalaza ho misy ity jiolahy ity. Nanao ny fanaraha-maso izy ireo ka voamarina tokoa ny fisian’ilay olon-dratsy miaraka amin’ny taolam-paty anaty bidao mavo. Tsikaritry ny polisy izy fa mihazo ny tanimbary eny amin’ny manodidina niaraka tamin’ny fonosan’entana. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy. Nandritra ny fisavana azy no nahitana taolam-paty miisa 21 nafatratra tao anaty bidao mavo miaty 20 l nofonosina selofanina. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy ka natolotra ny polisy misahana ny heloka bevava.

J.C

Partager sur: