Tranga ara-toetr’andro voajanahary mitsingerina isaky ny roa na fito na 10 taona eo ho eo ny El nino. Mihamafana ny ranomasina ka ny tambolon-drivotra dia miteraka haintany na tondradrano. Eto amintsika, ny haintany no isehoany kokoa, indrindra any atsimo izay efa tena iharan’ny haintany lavareny. Rehefa mihena ny orana, mihena koa ny vokatra ary miantraika amin’ny fidiram-bolan’ny tokantrano tsirairay izany. “Voajanahary tsy azo sorohina ny El nino fa azo iomanana mialoha kosa ny fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonana Hina, Faniry Hantarinivo, omaly.
Nambaran’ny antotanisa farany avy amin’ny fanadihadiana IPC ho an’ny avrily 2026 hatramin’ny mey 2027 fa iray amin’ny zaza 10 latsaky ny 5 taona no mety ho tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ao anatin’io fotoana io, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra mialoha.
75% ny mponina any atsimo ahina ho tratran’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika, 3 tapitrisa mahery iharan’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika phase 3 ary mahery ny 400 000 anatin’ny phase 4, tena efa anatin’ny hamehana tanteraka.
Antso avo ataon’ny Hina ny tsy tokony hiandrasana ny fiantraikan’ny El nino eto Madagasikara. Ilaina ny fijerena ireo drafitrasa azo hetsehina avy hatrany, toy ny fanentanana olona momba ny fitehirizana sakafo, fampisitrahana rano madio, indrindra ny rano hambolena any atsimo.
Zava-dehibe koa ny famanafisana ny rantsamangaika fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika: Creni, Crenas, Crenam any amin’ny tobim-pahasalamana.
Tsy mbola fantatra ny tetibola hatokan’ny fanjakana hiatrehana ny El nino. Anisan’ ny tolotra sosialy fototra ny fahasalamana ka fotoana hanatanterahana ny teny ierana noraisin’ny fitondrana Fanavaozana hametrahana ho laharam-pahamehana ny sehatra sosialy izao, araka ny nambarany ihany.
Vonjy




