Emmo/Nat : “Homena mpiambina manokana ireo kandidà”

Namory mpanao gazety tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. Nitondra fanazavana manoloana ny toe-draharaham-pirenena izy ireo tamin’izany.

Nambaran’ny eo anivon’ ny Emmo/Nat, ny Jly Ramasimanana William fa misy tetika maloto any ambadika any ka handray ny fepetra samihafa mifandraika amin’izany izy ireo. “Misy mikasa ny hifofo ny ain’ny sasany amin’ireo kandidà ka hiambina azy ireo sy ny fianakaviany izahay. Hisy tomponandraikitra hiresaka amin’izy 13 mirahalahy tsy an-kanavaka ka izy ireo ihany no hisafidy ireo tiany hiambina azy avy”, hoy izy.

Tsy fahavalo ny mpitandro filaminana
Niaiky koa anefa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana fa tena misy ny sasany amin’izy ireo tratran’ny tendrom-po tsy mba namana, manoloana ny hetsiky ny vondron’ny kandidà. Efa manitsy azy ireo izahay ary tsy maintsy misy ny fepetra ho raisina, araka ny nambarany hatrany. “Ho tombontsoan’ny besinimaro no tena antom-pisian’ny mpitandro filaminana. Tsy misy mihitsy kosa anefa ny fanakanana olona handeha hiasa”, hoy ihany izy ireo. Nanteriny fa fianakavian’ny rehetra ny mpitandro filaminana. Tsy fahavalo ary tsy mihevitra ny hafa ho fahavalo koa. Mpirahalahy mianala, araka ny nambarany.

Nosamborina avy eo navo­tsotra ny kandidà Ratsietison
Etsy andaniny, nomarihin’ izy ireo koa, araka ny nanambaran’ny prefet azy, fa tsy nisy maty tamin’ny hetsiky ny vondron’ny kandidà. Niaiky kosa anefa izy ireo fa nisy ny naratra.
Ankoatra izany, nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly atoandro ny kandidàn’ ny FMI Malagasy, Ratsietison Jean Jacques. Anisan’ny eo anivon’ny Vondron’ny kandidà 10, nikasa ny hanao amboletra sy hitarika vahoaka hiditra eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Taorian’ny nakana am-bavany azy teny amin’ny zandary anefa dia navotsotra, omaly hariva, ihany izy. Voamarina tamin’izany koa fa mizaka ny zom-pirenena frantsay ity kandidà mpirotsaka hofidina filoham-pirenena ity.

Randria

Partager sur: