Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc niarahana amin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta tany Luanda, ny 4 novambra teo, ny momba ny fifidianana. Anisan’izany ny handefasan’ny eo anivon’ity Vondrom-paritra ara-toekarena ity iraka mpanara-maso ny fifidianana hatao eto amintsika. Nirary ny hipetrahan’ny fitoniana sy ny filaminana ho an’i Madagasikara sy ny any RD Congo amin’ ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ny tatitry ny fivoriana andiany faha-10. Firenena samy mpikambana eo anivon’ny Sadc ireo ary hiatrika fifidianana avokoa ny volana novambra sy desambra izao. Manamafy izahay miatrika ny fivoriana fa manohana amin’ny alalan’ny fandefasana iraka mpanara-maso ny fifidianana, araka ny tatitry ny fihaonana an-tampony hatrany.
Nitarika izao fivoriana izao ny filohan’i Angola, Joeo Manuel Goncales Lourenco, sady filoha amperinasa ny Sadc.
Tsiahivina fa efa nandalo teto amintsika ary nihaona tamin’ireo mpisehatra politika sy ireo ao anivon’ny fiarahamonim-pirenena ary koa ny eo anivon’ny Andrimpanjakana ny iraka manokana avy amin’ny Sadc, ny volana marsa teo. Nitondra ny tatitra tany amin’ny fihaonana an-tampony izy ireo ary izao namoaka ny fehinkevitry ny fivoriana izao.
Synèse R.




