Manazava ny vahaolana amin’ny fahasimana sy fahavakisana lanilany ny profesora Razafindrabe John Alberto Bam, “Chirurgien-Stomatologiste” eo anivon’ny Centre Hospitalier Joseph Dieu Donné Rakotovao, Befelatanana (CHUJDR).
Aretina tsy mifindra fa vokatry ny tsy fahatomombanana mandritra ny vohoka ny sima sy ny vaky lanilany.
«Tsy misy fanafody ohanina na tsindrona mamerina ny kilema eo amin’ny molotra na ny lanilany. Fandidiana mamerina amin’ny laoniny ny endrika sy ny fiasan’ny molotra ary ny asan’ny lanilany ihany no vahaolana», hoy ny profesora Razafindrabe John Alberto Bam.
Eo amin’ny fahadimy volana ka hatramin’ny fahafolo volan’ny zaza no anaovana ny fandidiana ny molotra. Mialohan’ny hitenenan’ny zaza kosa dia tokony ho vita ny fandidiana hanakatonana ny lanilanin’ilay zaza ho an’ireo vaky lanilany. Afaka manao ny asany tsara ary mivoatra manaraka ny fitombony, araka izany, ny fandidiana natao.
Misy akony amin’ny fiainan’ny ankizy mandra-pahalehibeny io tsy fahatomombanana io raha tsy voakarakara mialoha. Tsy mazava ny fiteniny ary tsy mitovy amin’ny rehetra ny endriny ka mahatonga henatra na olana ho azy.
Kofona lava kosa ny zaza tratran’ny vaky lanilany. Tsy afaka minono izy ireny matetika ary olana ny fanomezana sakafo azy. Ampirisihina ny ray aman-dreny hanatona tobim-pahasalamana hahafahana mikarakara ilay zaza.
Tatiana A




