Zotra nasionaly sy rezionaly : hentitra ny fampanarahan-dalàna

Manara-maso ny fampanarahan-dalàna ny amin’ireo zotra rezionaly sy nasionaly ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Teny amin’ny tobim-piantsonana Anto­homadinika, mampitohy an’Antananarivo amin’ny faritra Alaotra izy ireo no nanao ny fisavana. Efa niasana ny teny amin’ny fiantsonana Maki, Fasanikarana.
Araha-maso amin’izany ny antontan-taratasin’ny fiara “Carte grise”, “Visite technique”, “Attestation d’assurance”, “Carte fiscale”, “Licence d’exploitation”. Eo koa ny anton-taratasin’ny mpamily, “Permis de conduire” sy ny “visite médicale”. Ankoatra izany ny antotan-taratasy mirakitra ny mpandeha, “Manifold de passagers” misy ny anarana feno, laharan’ny CIN, laharan’ny finday, olona antsoina raha misy ilana izany.
Jerena manokana ihany koa ny haavon’ny entana eo ambony tafon’ny fiara mba tsy hihoatra ny 80 cm, ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalambe.
Mijery ny lafiny teknika ny avy eo anivon’ny ivontoerana fi­tsarana fiarakodia, mijery ny lafiny taratasy ny avy ao amin’ny ATT, miara-miasa amin’ny fanaraha-maso ny avy eo anivon’ny CUA, ny CPCTRV ary ny mpitandro filaminana. Izay fiara tsy ara-dalàna dia tsy maintsy handraisana fepetra.

Tatiana A

Partager sur: