“Afa-mifampiresaka mivantana amin’ireo hery velona rehetra hisian’ny fitoniana sy ny fahitsiana manoloana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny Vondrom-pirenena mpanelanelana na ny GNM”, araka ny nambaran’i Hery Rakotomanana, solontenan’ ireo mpikambana anatin’io vondrona io, tetsy Ankadivato, omaly. Najoron’izy ireo ny GNM amin’ny maha tomponandraikitra ambony teo aloha, teto anivon’ny firenena, ny mpikambana rehetra ao anatiny. Mandrafitra io vondrona mpanelanelana io, ny Praiminisitra teo aloha, Kolo Roger, ny filohan’ny Ceni teo aloha, Hery Rakotomanana ary ahitana minisitra teo aloha sy manamboninahitra ambony, misotro ronono. « Antom-pijoroan’ny vondrona ny fanajana ny fahitsiana, fahamarinana ho tombontsoan’ny firenena », hoy hatrany ny mpitondra tenin’ity vondrona ity, i Hery Rakotomanana. Ho fantatra tsy ho ela, arak’izany, ny fandraisan’andraikitra entin’ny mpikambana eo anivon’ny GNM amin’izao herinandro vitsy alohan’ny datim-pifidianana izao.
Tsiferana R




