Nandritra ny taona 2022 : 45 245 ny olona voan’ny raboka notsaboina

Nanao tatitra ny fandraisana ireo mararin’ny raboka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny taona 2022. Fantatra fa nahatratra 45 245 ireo marary noraisina an-tanana manerana ny Nosy tamin’ny taon-dasa, tamin’ireo tobim-pahasalamana misahana ny aretina raboka.
Maimaimpoana hatrany ny fikarakarana ny marary ma­nomboka amin’ny fizaham-pahasalamana, mandalo amin’ny fitiliana sy ny fitarafana ary ny fanafody sy ny fanaraha-maso omban’ny torohevitra ara-tsakafo….
Arakaraka ny fizahana no hahafantarana ny tokony hatao amin’ny marary. Raha raboka tsotra dia manao fitiliana rehoka maimaimpoana any amin’ny laboratoaram-panjakana. Misy koa ny fitarafana ny tratra maimaimpoana ataon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny fandaharanasa misahana ny tiberkilaozy amin’izao fotoana sitrahan’ireo olona ahina ho misy tiberkilaozy.
Miankina amin’ny valin’ny fitiliana no handraisana an-tanana azy indray avy eo.
Mandritra ny enim-bolana ny fitsaboana ary arahi-maso akaiky ny marary hahatojo hatramin’ny farany ny fitsaboana mba hahazo fahasitranana tanteraka.
Isa-maraina, isan’andro no ohanina ny fanafody, ora iray mialohan’ny sakafo. Maimaim­poana ny fanafody sy ny fitarafana ary ny fitiliana.
Azo sitranina ny aretina tiberkilaozy, ary aretina tsy mahamenatra ka tsy tokony hisalasala manatona tobim-pahasalamana raha mikohoka mihaotra ny 3 herinandro.

Tatiana A

Partager sur: