Psycho-social : ilana fitsaboana ny fikorontanan-tsaina

Manampy ny fikarakarana ataon’ny mpitsabo ny fahasalaman’ny saina eny amin’ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana manome fanafody ny fanarenana psycho-social.

«Fandraisana an-ta­nana, ainga vao ary fanentanana ho an’ireo olona miaina fikorontanana sy tsy fahasalaman’ny saina izany », hoy ny psychiatre, mpikambana ao amin’ny Association Psy-kôzy Mada­gasikara, dokotera Ra­zafin­dra­lambo Kiady Rivo, omaly, teny Faravohitra. Toe-pahasalaman’ny saina azo alamina amin’ny fandraisana an-tanana voamarina sy ma­zava ny fikorontanana. Fan­draisana an-tanana ny maha olona ny fanarenana psykososialy ma­nampy amin’ireo fahasahiranana iainan’ny ma­rary ary manasongadina ireo traikefa sy fahaiza-manao ananan’ireo olona tojo fikorontanana.

Tonga eto Madagasikara ny tomponandraikitry ny Cen­tre de ressources de la réhabilitation psycho-sociale, sady mpampianatra any amin’ny faculté de médecine any Lyon, ny profesora Nicolas Franck. Hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manao hametraka ny ivontoerana fanarenana psykososialy eto amintsika miaraka amin’ny fikambanana Psy-kôzy no anton-diany. Tao­rian’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, nandritra ny fihibohana, vao nahatsapa ny mpiasan’ny fahasalamana fa betsaka ny olona no tratran’ny fikorontanan-tsaina ka ilana fandraisana an-tanana. Tsy mbola manana ivontoerana na foibe manao fanarenana psykososialy isika eto. Fomba fitsaboana vaovao efa ampiasaina any Frantsa izy ity. « Manantena aho fa ha­hom­by ny fiaraha-miasa eo amin’ny Centre de ressources any Lyon sy ny Association Psy-kôzy hanangana ivontoerana ho fanarenana psykososialy ary azo ampiharina eto Madagasikara ny paikady am­piharina any Frantsa », hoy ity profesora frantsay psychiatre ity.
Atrikasa enina
Mikarakara atrikasa enina eny Faravohitra, mandritra ny hateloana, ho an’ny olon-tsotra sy ny mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina ny fikambanana nanomboka omaly. Lohahevitra enina sa­my hafa no hifampizarana mia­raka amin’ny Frantsay telo manam-pahaizana.

Vonjy A.

Partager sur: