Natao tany Cape Town, Afrika Atsimo, ny fihaonana mahakasika ny drone eo amin’ny fitantanana ny loza, ny herinandro teo. Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fizarana traikefa ny BNGRC izay efa mampiasa ny Drone rahateo eto amintsika.
Nasongadin’ny BNGRC ny tetikasa “Drone Operational Center (DOC)” izay tetikasa vaovao eto Madagasikara. Fitaovana ahafahana mitsirika ireo toerana mila vonjy maika rehefa misy loza mandalo. Hahafahana mamatsy ara-potoana ny traboina ary mifehy mba tsy hitaran’ny fahavoazana.
Manamora ny asa fitantanana ny karazana loza misy eto Madagasikara, toy ny haintany, tondradrano, rivodoza…ny fampiasana ny Drone.
Nahafahana nahita sy nanao tombana amin’ny fandrosoana entin’ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana ny loza ny fihaonana tany Afrika Atsimo. Tanjona ny fifampizarana ny fomba fanao vaovao sy hanamora ny fiaraha-miasa teo amin’ ireo mpandray anjara. Manavao ny fomba fiasa amin’ny fiarovana ny ain’olona sy ny fitantanana ny loza voajanahary ihany koa ny fampiasana ny teknolojia maoderina, toy ny drone.
Tatiana A




