Mpanazava eto Madagasikara : Tovovavy 1 000 niatrika fiofanana

Zava-dehibe ny fanavaozana ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin’ny fahaiza-mitarika fikambanana. Nanatante­raka izany ny mpanazava eto Madagasikara ka faritra 4 teto Analamanga no niofana ho lohambondrona ny faran’ny volana oktobra teo.
Ankizivavy 1 000 mahery no niatrika ny fiofanana hampandrosoana ny fivondronana, tarika ary ny sokajy misy azy.
Nisitraka fiofanana momba ny fitondrana ny feon’izy ireo, izay fomba entina maneho hevitra, milaza sy mitatitra ny olana misy sy mahazo azy ny ankizivavy ny fiarahamonina misy azy any amin’ireo mpanapa-kevitra. Fotoana nitadiavana ny vahaolana ihany koa tamin’ireo karazan’olana mety hosedraina eny anivon’ny fikambanana.
Teo koa ny fizarana ny paikady enti-mandresy lahatra ny ankizivavy hiditra ho mpanazava, ny tombontsoa azo sy ny fiovana entin’ny Mpa­na­zava eo amin’ny tontolon’ny ankizivavy.
Sehatra fitaizana ny ankizivavy tsy hivaona sy hiaina anaty fikambanana ny sampana Mpanazava. Mamolavola ny maha olona feno ary mikolo ho tonga olom-banona sy tomponandraikitra ary mahaleo tena eo amin’ny fiarahamonina ny fikambanana.
Anisan’ny sampana hametrahan’ny ray aman-dreny fitokisana ny Mpanazava ka izany indrindra no hisian’ny fiofanan’ ireo mpitarika mba hampaharitra izay fitokisana izay

Tatiana A

Partager sur: