« Design For Change » : nisongadina nandritra ny hetsika ny sekoly valo

Tontosa ny hetsika nasionaly « Design For Change » (DFC) sy ny fizarana loka ho an’ireo tetikasan’ny ankizy mendrika indrindra ho an’ny taom-pianarana 2022-2023, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’ny Cnaps Vontovorona.
Tetikasa miisa 180 no nifaninana: 133 isa avy amin’ny sekoly miankina ary 61 isa avy amin’ny fikambanana eo anivon’ny faritra Analamanga, Itasy, Vatovavy, Diana ary Atsinanana.
Sekoly valo no voafidy ho mendrika indrindra. Anisan’ iza­ny ny CEG Imerin­tsia­to­sika, ny EPP Ambani­tsena sy ny EPP Ambodia­fontsy ary ny EPP Ambala­manasy. Ity farany no nahazo ny « Prix d’encouragement » tamin’ny alalan’ny tetikasa « Jardin scolaire », fambolena anana.
Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Association Zazakely Sambatra ary ny foibem-pitondrana misahana ny Fanabea­zam-bahoaka ho olom-pirenena (DEMC) no misahana iza­ny.
Tambajotra iraisam-pirenena manambatra ny tanora sy ny ankizy ary manetsika azy ireo hanatanteraka asa hitondra fiovana amin’ny toe-tsaina « Za mahavita » ny DFS. Firenena 60 ankehitiriny no mampihatra azy ary nitondra tetikasa vaovao hampivoatra ny tontolo miisa 31 000. Entanina ny mpianatra any an-dakilasy hikajy ny tontolo iainana sy hitondra tetikasa azo tanterahina.

Vonjy

Partager sur: