Nanao fanambarana miompana amin’ny hoe “Inona àry no hataonay?” ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) ao anatin’ny fivoriany ny 7 hatramin’ny 14 novambra izao. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny momba ny fifidianana.
“Avelao haneho ny heviny sy hamaritra ny hoaviny ankalalahana sy araka ny lalàna velona amin’ny alalan’ny fifidianana ny vahoaka”, hoy ny hafatry ny Fem, omaly. Amin’ny maha demokratika sy tan-dalàna an’i Madagasikara: ny vahoaka no lohalarana. Ny vahoaka maneho ny heviny amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy mangarahara no miantoka izany. Koa miantso ireo mpanao politika sy tomponandraikitra rehetra ary ireo kandidà izy ireo hanome ny anjara masoandron’ny vahoaka, araka ny zo sy ny adidy tandrify azy.
“Marina fa misy lesoka amin’ny fiatrehantsika ny fifidianana. Tsy afa-kiandry fahalavorariana anefa isika vao hanao izany”, hoy ny hafatra. Sarobidy ny fiandrianam-pirenena ka tokony hahasaro-piaro. Aoka samy handray ny andraikitra, araka izay tandrify azy avy, ny rehetra mba hahatomombana ny fifidianana.
Tsy anjaran’ny fiangonana
Ny fanajana ny lalàna sy ny fanarahana fitsipika no atao tarigetra amin’izany. Toy izany koa ny fifarimbonana hanara-maso ny fizotran’ny fifidianana sy ny vokany. Tsy anjaran’ny eglizy ny mampihemotra na hampandroso ny datim-pifidianana. Misy ny tomponandraikitra mahefa amin’izany.
“Aoka isika ho tony manoloana ny fanaon’ny mpanao politika, izay mampiady sy mampizarazara antsika. Tsy olom-baovao amintsika ny ankamaroan’ny mpirotsa-kofidina, ary hitantsika ny nataony hatramin’izay ka hatramin’izao. Koa mahaiza mifidy”, hoy kosa ny hafatra ho an’ny vahoaka.
R. Nd.




