Hifampizara paikady sy traikefa ary ireo zava-niainany ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ireo zokiny mpandraharaha mandritra ny « Forum national des entrepreneurs » amin’ny herinandro.
Fotoan-dehibe hampivondronana ireo mpandraharaha samihafa ny « Forum national des entrepreneurs », andiany faha-5, atao ny 17 sy 18 novambra izao. Lohahevitra noraisina tamin’ity ny fanomezana traikefa sy paikady ho an’ireo mpandraharaha hiatrehana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Hivondrona amin’ny toerana iray ireo mpisehatra ara-toekarena ka hifampizara ny tohana sy ny tantsoroka hoentina mampiroborobo ny seha-pihariany. « Tanjona ny hifampizara ireo paikady sy teknika ary zavatra niainana tao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ireo zandry », hoy ny filoha lefitry ny Club Madagascar entreprises developpement (MED), Andrianjatovo Irinah, tetsy Tsaralalana, omaly. Maro ireo orinasa vao misandratra maty ao anatin’ny roa taona nijoroana. 20% ihany koa no manohy ny fihariana aorian’izay. Betsaka ny tanora roboka amin’ny tontolon’ny fandraharahana kanefa tsy ampy traikefa sy fahaiza-manao ka tsy ahafahany mampiroborobo ny orinasa natsangany, antony nanaovana ny hetsika. Azo raisaina ho fanararaotra ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny vidin’entana. Tokony hiakatra ny vola miditra. Tombony ho an’ny mpamongady sy mpanodina, mpanondrana ary mpanafatra entana izany.
Lasibatra
Tafakatra 10,5% ny taha-piakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara, ny taona 2023, raha toa ka 6,9% izany ny taona 2022, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Manampy trotraka ny fitotonganan’ny Ariary, ny Covid-19 sy ny ady eo amin’i Rosia sy i Ukraine. Noho izany, lasibatra ny fahafaha-mividin’ny mpanjifa sy ny fandraharahana.
Henintsoa Hani




