Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny sazy mavesatra ho an-dRaveloson Rayan, Malagasy mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’ny AJ Auxerre France. Voasazy tsy afaka hanatrika lalao enina amin’ny fifaninanana frantsay, “Ligue 2”, ity Malagasy mpilalao ity noho ny fikasihan-tanana nataony tamin’i Maxime Sivis, mpilalaon’ny Guingamp France.
Hisy akony lehibe amin’ity klioba frantsay ity, ny sazy mahazo an-dRaveloson. Anisan’ireo andry hiankinan’ny AJ Auxerre izy. Miisa roa ny baolina tafiditr’i Rayan, tamin’ity taom-pilalaovana ity.
Ankoatra izay, tsy misy vokany amin’ilay lalao iraisam-pirenena roa izay hiadiana ny tapakila “Mondial 2026”, amin’ity volana novambra ity, io sazy mihatra aminy io.
Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nantsoina handrafitra ny Barea de Madagascar, Raveloson Rayan. Marihina fa ny 17 novambra ho avy izao, any Ghana, hifandona amin’ny Black Star Ghana ny ekipa nasionaly malagasy. Ny 20 novambra any Maroc, hihaona amin’i Tchad i Madagasikara.
Fitia Randria




