Baolina kitra: mpanazatra ny Barea U23 i Hery Be sy i Boualem Mankour

Miomana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2027, sokajy U23, ny Barean’i Madagasikara. Efa voatendry ireo mpanazatra hisahana izany. Ho an’ny mpilalao eto an-toerana, i Hery Be ary ny an’ireo any ivelany kosa hataon’i Boualem Mankour.

Voatendry ny alakamisy lasa teo Rabearisoa Herimanitra (Hery Be) sy i Boualem Mankour, izay hanazatra ny Barean’i Mada­gasikara U23, amin’ny fanomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2027). Nampahafantatra izany ny komity misahana ny ekipam-pirenena zandriny, tarihin-dRaharijaona Solo­nirina sy Ralison Heri­nirina Jacques Landry (Néné), izay nomen’ny Federasionina ma­lagasin’ny baolina kitra fahe­fana.
Mizara roa miavaka tsara izany ka hisahana ny mpilalao avy eto an-toerana, i Hery Be sy Razafindrakoto Mamisoa. Hikarakara ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany kosa i Boualem Mankour sy i Johan Paul. Hiandraikitra ny fanazarana ny mpiandry tsatoby, i Melvin Adrien, izay efa mpilalao tao amin’ny Barea nandritra ny Can 2019, tany Egypte.
Tsiahivina fa efa nitondra ny Barean’i Madagasikara U23 ny Coach Hery Be, nandritra ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika 2026, natao tany Paris. Nandresy an’i Sey­chèlles avy eo lavon’ny Pan­thères Gabon.
Ho an’ny eto an-toerana, efa nivory ireo teknisianina hisahana izany ary efa na­nomboka ny fitiliana ireo mpilalao, izay ao anatin’ny Pu­replay Football League (PFL). Ara-drariny izany satria fihaonana iraisam-pirenena io ka ny PFL no hany azo antoka hahitana mpilalao ampy fihaonana.
Marihina fa hikatroka amin’ ny Coelacanthes Comores ny Barea. Ny 28 septambra ny lalao mandroso ary ny 6 oktobra ny fihaonana miverina. Araka ny tsilian-tsofina anefa, niala an-daharana ny kaomorianina ka fanomanana ny lalao faharoa hifandonana amin’i Afrika Atsimo, ny volana novambra izany, ny fampivondronana atao.

Tompondaka

Partager sur: