Taekwondo WT : tsy mbola nivoaka ny datim-pifidianana

Sahiran-tsaina ny eo anivon’ny tontolon’ny Taekwondo WT amin’izao fotoana izao. Tsy mbola misy daty raikitra hanatontosana ny fifidianana navoakan’ny Federasiona malagasy. Raha tsiahivina, ny volana hanatontosana izany fotsiny ny hany efa navoakan’ity rafitra miahy ny Taekwon­do WT eto Madagasikara ity, ny 2 oktobra lasa teo.
Voalaza tao anatin’izany, fa hotontosaina eo anelane­lan’ny volana oktobra sy no­vambra ny an’ireo seksiona ka tsy maintsy atrehin’ny solontenan’ny talem-paritry ny fanatanjahantena (DRJS) sy ny ligim-paritra. Ny volana no­vambra sy desambra kosa ny an’ny filohan’ny ligy ka manatrika izany ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahan­tena sy ny federasiona ary ny volana janoary 2024 ny an’ny filohan’ny federasiona.
Hatramin’izao, tsy mbola mivoaka ny lalàm-pifidianana sy ny anaran’ireo klioba afaka mandatsa-bato. Toy izany koa ny fotoana hifaranan’ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo kandidà eo anivon’ny sekiona.
Nampahafantarin’ny federasiona fa tsy maintsy mahafeno ireo fepetra mifanaraka amin’ny sata sy ny fitsipika anatin’ny federasiona ireo re­hetra izay maniry ny hifaninana ho filohan’ireo rafitra rehetra ao anatin’ity haiady ity. Andrasana ihany koa ny fo­toana hanatontosana ny fivoriambe tsy ara-potoana ha­naovan’ny komity mpitantana tatitra ny asa vitany.

Tompondaka

Partager sur: