Natao, omaly, teto Antananarivo ny tatitry ny zava-bita tao anatin’ny enim-bolana (janoary-jona) ho an’ny taona 2023, ao anatin’ny tetikasa « Tontolo voajanahary lovainjafy ny ilany atsinanan’i Madagasikara ». Raha ny lafiny ara-bola, ny 32% amin’ny nofaritana ho an’ny tetibola 2023 no efa nampiasaina, mahatratra 9,056 miliara Ar. Raha ny vinavina ho an’ny enim-bolana faharoa 2023, mitentina 8,441 miliara ny ho ampiasaina.
Fiarovana ny tontolo iainana sady hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony, ny tetikasa « Tontolo voajanahary lovainjafy ny ilany atsinanan’i Madagasikara ». Nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny taona 2025. Mitentina 18,5 tapitrisa dolara, avy amin’ny Tahirimbola maitso ho an’ny toetr’andro, na GCF (Green Climate Fund).
Ala vadim-boly
Tanjona ny hamerenana maitso ny tontolo, sy hampihenana ny entona karbona CO2. Miisa 23 800 ny tokantrano kendrena hisitraka ny tetikasa, ahitana faritra valo, ao anatin’ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ) sy Tandavanala Ambositra Vondrozo (Cofav).
Nampianarina ny mponina eny ifotony amin’ny fampiharana ny ala vadim-boly. Ampiarahina ny fambolen- kazo sy ny fambolena hampidi-bola ny tantsaha. Toy ny fambolena kafe, ravintsara, jirofo, lavanila, voankazo.
Anisan’ny fepetra apetraka amin’ireo tantsaha ny tsy fahafahana manitatra ny faritra volena amin’ny fanapotehana ny ala.
Njaka A.




