Kandidà Andry Rajoelina: Tian’ny mponin’Antananarivo

Mihamafy ny fitiavan’ny vahoakan’Antananarivo ny kandidà Andry Rajoelina. Hipoka ny kianjan’Antsonjombe, omaly. Tazana teny an-toerana ny mpanara-maso avy amin’ny Sadc.

Tontosa omaly, teny
amin’ny Coliseum An­tson­jombe, ny faradoboky ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina ho an’Anta­nanarivo. Nifanitsa-kitro ny vahoaka nanotrona azy. Ni­ampy ireo olom-boafidy maro sy ny mpiara-miasa aminy eto an-drenivohitra sy ny faritra Analamanga. Nisy ny fitanisana ny zava-bita. Nizara ny vina ho an’ny ho avy ihany koa izy. Nisy ny velirano vaovao nifanaovany tamin’ny vahoaka dia ny fanomezana jiro ho an’ny mponina amin’ny distrika 50 amin’ny 119, ao anatin’ny enim-bolana ho avy. Toraka izany ny fanomezan-toky momba ny fananganana orinasa na famoronana asa ho an’ny tanora. Mba ahafahana manao izany, hampiroboroboina ny fiofanana arakasa amin’ny fotoam-pitondrana manaraka. Nohamafisiny iha­ny koa ny mba hahafitaratra ny renivohitr’i Madagasikara. “Ataontsika modely Antanana­rivo, amin’ny fanohizana ireo fotodrafitrasa efa andalam-panamboarana”, hoy ny kandidà Andry Rajoelina.

Tany Atsinanana
Nialoha ny hetsika teto an-drenivohitra, nihaona tamin’ny vahoakan ‘i Mahanoro ny kandidà laharana fahatelo, afakomaly. Nambarany fa tsy afaka ao am-pony ny fitiavan’ny vahoaka any an-toerana azy ka tsy maintsy tonga ny tenany. “Voaporofo izao fa tia ny fampandrosoana isika eto… Niova ny tanàna noho ny ezaka vita”, hoy izy. Natsidiny fa hanamboatra ny lalana sy fotodrafitrasa maro any an-toerana izy.
Nitohy tany Toamasina ny fampielezan-kevitra. An’alinki­sa hatrany ny vahoaka manotrona azy. Nam­barany fa miavaka amin’ireo tanàna ny ao an-toerana. Nampiaiky ny maro ny hakanton’ny Miami, ravahin’ireo jiro sy ny rano “Jet d’eau”, tsy ambakan’ireo fahita any am-pita. Reharehan’i Toamasina ny fananana izany ankehitriny, araka ny nambarany. “Tratrantsika ny fanamby na teo aza ireo mpanaraby. Tsy nahasakana antsika ireo mpanaratsy sy mpanakiana”, hoy izy. Nanteriny fa manamafy ny fahavononan’i Toa­ma­sina handroso ny fahitako ny vahoaka marobe.

Synèse sy i Lin

Partager sur: